airtel

Sosialy

01-oct-2024

VOKATRY NY TSY FAHAMPIAN-TSAKAFO

Voafonja 6 no namoy ny ainy tany Mananjary

Sample post image

mahazo vahana tanteraka ny tsy fanjarian-tsakafo any anatin’ny fonja.

01-oct-2024

Miteraka fahafatesana mihitsy izany antony namoizan’ireo voafonja miisa 6 ny ainy tany amin’ny distrikan’i Mananjary. Raha araka ny vaovao azo dia tondroin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana efa tany ivelany izy 6 ireo no tsy ampy sakafo. Mbola nanampy trotraka izany ny tao am-ponja izay tsiahivina fa mangahazo 300 grama isan’andro no mba anjara sakafon’ny iray, indrindra fa ho an’ireo tsy misy mpanati-bary. Mahatsiaro ho reraka noho izany ireo voafonja raha tsy lazaina intsony ny tsy fahampian’ny rivotra madio sy ny hateren’ny toerana hiainana. Nambaran’ny talen’ny fandraharahana ny fonja tamin’izany fa efa tonga any Mananjary amin’izao ny sakafo sy ny fanafody omena ireo voafonja any an-toerana. Efa misy dokotera sy manam-pahaizana manokana momba ny sakafo manara-maso koa izy ireo ho fiarovana ny ainy. Fantatra ihany koa fa ny 51%-n’ireo voafonja eto amintsika no efa voatsara hatramin’izao raha mbola miandry kosa ny 49%. Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ilay atrikasa mikasika ny foto-drafitrasa ho an’ny voafonja aty Afrika tanterahina nanomboka omaly hiarahana amin’ny Fikambanana Croix Rouge Malagasy. Amin’ny Zoma 04 Oktobra ho avy izao izany vao hifarana tanteraka.
Pati
Legende : Tsy natao hovonoina ny voafonja fa hahitsy mialohan’ny hiverenany eny anivon’ny fiaraha-monina !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap