airtel

Sosialy

09-juil-2024

Zaza tsy nahazo karama

Nandeha an-tongotra avy any Antsirabe, hita tao Fianarantsoa

Sample post image

Zaza iray nandeha an-tongotra avy any Antsirabe no hitan'ny «Ambulance»

09-juil-2024

na fiara mpitondra mararin’ny CHRR Ralalaonirina Ambositra dia nentiny ary nateriny ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny mponina ao Ambositra, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Raha ny fitantarany dia tsy nahazo karama izy hatramin'izay niasany ka niala ary saika hody handeha tongotra any Fianarantsoa. Efa noraisin'ny tale misahana ny mponina ao Ambositra an-tanana ny momba azy ary ho alefa anio. Ny tale misahana ny mponina ao Fianarantsoa indray no handray ny andraikitra hanatitra azy any amin'ny reniny. Tsiahivina moa fa ny lalàna malagasy dia mandrara ny fampiasana zaza tsy ampy taona ka dia miantso ny fandraisana andraikitry ny rehetra amin’ny mety ho fahitana tranga tsy mifanalavitra amin’izao, noho izany, ny fitaleavam-paritra misahana ny mponina ao an-toerana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap