airtel

Sport

20-juin-2024

Akon’ny Euro 2024

Tafita amin’ny 1

Sample post image

Mafana hatrany ny fiadiana izay ho tompondakan’i Eoropa eo amin’ny baolina kitra na ny « Euro 2024 »

20-juin-2024

izay hiditra sahady amin’ny herinandro faharoa. Efa nanomboka niditra tamin’ny lalao faharoa omaly, ka ho an’ny Vondrona A dia i Allemagne mpampiantrano no nahazo ny tapakila voalohany ho an’ny ampahefa-dàlana satria nandresy 2-0 indray izy ireo omaly teo amin’ny andro faharoa nanoloana an’i Hongrie, ka ilay mpilalao vao erotrerony Musiala mpilalaon’ny Bayern Munich sy ny Kapiteny Gundugan mpilalaon’ny FC Barcelone no nampiditra ny baolina. Mipetraka hatrany izany hatreto ny maha maozatra sy isan’ny « favoris » an-dry Rainiboto. Ho an’ny Vondrona B kosa, miozongozona ary tena ratsy toerana i Croitie. Taorian’ny faharesena 3-0 nanoloana an’i Allemagne, dia voatazon’i Albanie 2-2 ry Luca Modric sy ny ekipany. I Albanie no nampiditra isa, ary voasala sy nampian’ny Croites iray, saingy tratra sahala tany amin’ny ora farany. Mbola i Italie ihany koa anefa no miandry azy any amin’ny lalao fahatelo farany, ary na mety handresy aza mety hiankina amin’ny lalao hafa. Isan’ny mampiavaka ity Euro ity ny famitana sy fisongadinan’ireo mpilalao tanora satria montsan'ilay mpilalao Tiorka vao 19 taona Arda Güler ny zava-bitan'i CR 7 tamin'ny 2004 eo amin’ny mpilalao tanora indrindra namono baolina tao anatin’ny Euro. I Arda Güler (19 taona+114 andro) izay milalao ao amin’ny Real Madrid indray mantsy hatreto no mpilalao tanora indrindra nahatafiditra baolina nandritra ny lalao voalohany nandraisany anjara tamin'ny UEFA Euro taorian'i Cristiano Ronaldo (19 taona+128 andro) tamin'ny taona 2004. Ny ekipan’i Turquie izay nanomontsana 3-1 i Georgie ka ity mpilalao ity no nampiditra ny baolina tsara dia tsara faharoa. Na izany aza, mety mbola ho montsana io tanora indrindra nampiditra baolina io satria mandindona mafy ilay Espaniola Lamine Yamal mpilalaon’ny FC Barcelone vao 16 taona, izay efa nahavita « passe décisive » na tolotra iray nitondra fahafatesan’ny baolina tamin’ny lalaon’i Espagne sy Croitie. Andaniny, nivoaka sempotra 2-1 kosa i Portugal nanoloana an'i République Tchèque satria efa tany fotoana fanampiny no nahataditra ny baolina nitondra ny fandresena ho azy ny ekipan'i Cristiano Ronaldo ny alin’ny talata teo. I Cristiano Ronaldo moa raha tsiahivina no mpilalao mandray anjara im-betsaka indrindra amin’ity Euro 2024 ity satria efa fanineniny izao, ary heverina fa farany ho azy satria efa 39 taona ny tenany.
Toky R
Légende : Musiala, Arda Güler, ary Lamine Yamal, anisan’ireo mpilalao tanora indrindra misongadina ao anatin’ny Euro 2024
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap