airtel

Sport

04-juil-2024

Amboaran'i Madagasikara

Mbola mety hiverina hidona ny Disciples sy ny Elgeco

Sample post image

Ho tontosaina anio alakamisy 04 jolay etsy amin'ny kianja By Pass

04-juil-2024

ireo lalao manasa-dalana roa fiadiana ny Amboaran'i Madagasikara. Lalao tokana ho an'ny CFFA io mba hanavotany ny taom-pilalaovany. Io tokoa mantsy sisa no heveriny hanarenana ny ekipa izay tsy dia tazana intsony. Ny olana anefa dia hidona amin'ny taolana indray ny CFFA satria ny Disciples FC no hifandona aminy manomboka amin'ny 10 ora. Tena ho sarotra satria mivonona ny hanao poa-droa koa ry zareo Betafo ireto. Rehefa afaka tamin'ny Elgeco Plus sy ny mpitsara mantsy dia tena azo eritreretina ny mandresy ny CFFA na dia ekipan'ny filohan'ny ligy Analamanga sady filoha ny CFEM. Efa zatra tsindrian'ny mpitsara izahay ka efa mivonona amin'ny angady sy ny harona, hoy ny mpanohana ny Disciples. Ny manasa-dalana faharoa kosa dia hanomboka amin'ny 2 ora eo amin'io kianja io ihany. Ara-taratasy aloha dia tokony ho afaka ny Elgeco Plus izay manana fiarovantena tsara misy an'i Nina mpiandry tsatokazo sy Tony ary Datsiry izay niverina ihany taorianan'ny fifampiresahana tamin'ny filoha mpanorina Alfred Randriamanampisoa. Ny tena ho sahirana angamba dia i Johnny izay sady teknisiana ao amin'ny Elgeco Plus no mbola milalao ao amin'ny Inate FC Rouge. Na ao na any amin'ny ankilana anefa dia samy olona manankatao ka tena mety mafy ho an'i Johnny Be ny safidy. Na izany na tsy izany dia tena hiady ny baolina satria samy mafy ireo ka tsy ho vitan'ny totohondry vola.Ary izay no ilaina satria tena manimba saina rehefa ny mpitsara no mitanila toa ny nataon'i Ali Tibotibo farany teo tamin'ny alahady.Mahagaga ihany fa Tibotibo rainy anie ka mpitsara iraisam-pirenena tena nahafehy ny asany.Sa ve noho ny fiainana tena mihasarotra ?
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

08-juil-2024

Tena mafy ireto Makis olona 7 ireto. Nandray anjara tamin'ny fifaninana tatsy amin'ny

Card image cap
08-juil-2024

Ela vao tena velona toy ny motera diesel ireo mpiangaly ny tsipy kanety malagasy.

Card image cap
08-juil-2024

Taorian’ny fahatafitan’ny Espaniola amin’ny dingana manasa-dàlana amin’ny Euro 2024,

Card image cap
08-juil-2024

Amin’ny septambra 2024, eo anelanelan’ny faha 2 hatramin’ny faha 10n’ny volana eo,

Card image cap
05-juil-2024

vita omaly ny antsapaka mamaritra ny fizaram-bondrona ao anatin’ny fifanintsanan’ny

Card image cap
05-juil-2024

Raha atotaly dia miisa 138 ireo lalao niarahan’ilay vodilaharana malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra,

Card image cap