airtel

Sport

05-juil-2023

Sport

Ankoay U19 Nigadona an-tanindrazana omaly

Sample post image

Nigadona an-tanindrazana omaly 4 jolay 2023 ny Ankoay, izay niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin'ny taranja Basket Ball U19.

05-juil-2023

Tonga nitsena azy ireo teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny minisitry ny filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, ary ny minisitry ny asa vaventy, ny kolonely Andrianantrehina Livah Ndriamihaja, izay samy mpiahy ny taranja Basketball amin'ny lalaon'ny nosy manaraka, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola no nisolo tena azy 3 mianadahy sy ny governemanta iraimanontolo, izay sady reny mpiahy azy ireo ihany koa, niarahaba ny Ankoay ary nitondra ny hafatry ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina hoe «Reharehan’i Madagasikara ianareo». Niarahaba an'i Mathias M'Madi izay voahosotra ho mpilalao mendrika na "meilleur joueur" tamin'iny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany iny ihany koa ireto solontenam-panjakana ireto. Tsy ny faharesena, hoy hatrany ny minisitra nitondra teny, no atao mibahana an-tsaina fa ny zava-bitanareo izay nahazoanareo traikefa hiadiana mandritry ny lalaon'ny nosy manaraka eo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique