airtel

Sport

27-juin-2023

Sport

Baolina kitra - Amboaran'i Madagasikara Nahavita "poa-tsatroka"i Coka

Sample post image

Nandresy mazava 4 noho 0 ny Disciples FC nanoloana ny FOMELA Ambalavao ny alahady teo tao amin'iny kianja

27-juin-2023

Vélodrome tao Antsirabe.Anarana tsy very fotsiny moa izany hoe Vélodrome izany fa dia efa nosimbain'ireo nanamboatra ny kianja ho synthétique. Na ny rugby koa aza dia tsy afaka milalao ao intsony noho ny fisian'ireo vatobe simenitra amin'ny sisin'ny kianja. Manginy fotsiny ny tsy fisianan'ny lalana fihazakazahana manodidina. Asa raha izay no atao hoe fampandrosoana na vokatry ny tsy fahalalana satria olona avy any amin'ny tontolon'ny basket no tomponantoka. Raha hiverenana ny baolina ny alahady dia tena namaly ny FOMELA fa teo amin'ny fampidirana baolina no lesoka Tetsy ankilany anefa dia tsy namela mahazo ny Disciples ary tsy navelan'i Coka raha tsy nahavita poa-tsatroka izy izany hoe baolina telo no matiny (24 , 80, 82). Ny baolina fahaefatra kosa dia matin'i Tendry ary mbola ity farany ity koa no nanolotra ny baolina farany matin'i Coka. Samy tsara ireto roalahy ireto ary fantatra fa raha resaka Barea dia tena ho tompon-toerana amin'izay ity Tendry ity raha tsy te hiady alin'ny mpijery eny Mahamasina angaha ny mpanazatra Roro Rakotondrabe. Tena nivoatra ny lalao nasehon'ny Disciples rehefa nisafidy ny 3-5-2 i Mamisoa Razafindrakoto. Hiditra ny henjana amin'izay anefa ny Disciples manomboka ny alahady izao ka asa izay ho tohiny Tapitra kosa anefa ny lalan'ny FOMELA izay nisafidy tsy handray anjara intsony miaraka amin'ny ekipa efatra hafa misy an'ny Maitso Volo amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Matsiatra Ambony noho ny disadisa eo aminy sy ny ligy. Tsy nilamina no nataon-dRamatoa filohan'ny Ligy Matsiatra Ambony satria mbola notazonininy ao amin'ny diviziona voalohany ny ekipa roa farany izay tsy araky ny lalana nifehy nifanenkena. Samy avy Fianarantsoa mantsy ireo dia izay angamba no azo hanazavana iry fanampahan-kevitra mitanila ity.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-janv-2025

Nanavao ny laharan'ny firenena amin'ny Basket 3x3 ny Federasiona Iraisam-pirenena amin'ny

Card image cap
13-janv-2025

Miozongozona ny toeran’i Rayan Raveloson, ilay mpilalao malagasy 27 taona heverina

Card image cap