airtel

Sport

05-juil-2023

Sport

Baolina kitra- Amboaran'i Madagasikara Nangoron-damba ny Pro League fito

Sample post image

Zava-doza tamin'ny klioba ao anaty Pro League iny 1/16 iny. Fito tamin',ireo heverina ho sangany mantsy no nihintsana.

05-juil-2023

Na nanitsana tena toy ny 3FB Toliara izay niala an-faharana nanoloana ny AS Comato. Toy izany koa ny Zanakala izay resy tsy niady nanoloana ny ASJM Ireo dimy ambiny dia resy teny ambony kianja toa ny USCAFOOT izay nataon'ny FC Rouge nitera-mena 1 noho 0. Resin'ny FC Mahavatsy taorian'ny fandakana penalty 1 noho 1 (3 noho 2). Isa 2 noho 1 koa no nandresen'ny EFFCA Mi 20 ny COSFA raha nataon'ny Kakambary nahitana kintana indray koa ny JET tamin'ny isa mavesatra 4 noho 0. Nifoifoy volo kosa no Dato vao nandresy ny Réseaux Fort 1-1 (4 pen noho 3). Ny Elgeco Plus no nahatafiditra baolina betsaka indrindra tamin'ity 1/16 ity satria dia nataony 8 noho 0 ny Kinga Sport. Nahazo gana malemy ry Elliot sy Zola ary Dôddy Nomontsan'i ASA Nosy bekoa ny FC Landric (5 noho 1). Eo amin'izay famonoana baolina izay dia laharana fahatelo ny Disciples FC raha nandresy 4 noho 0 ny FOMELA Ambalavao. I Coka no nahavita poa-,tsatroka (hat tricks) raha i Tendry no namono ny bsolina fahaefatra Ajesaia nandresy 2 noho i ny US Pro raha 3 noho 2 no nandavon'ny Fanalamanga ny CFFA Espoirs. Ny CFFA kosa dia nanilika ny Net Foot tamin'ny isa 2 noho 0.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique