airtel

Sport

03-juin-2024

Baolina Kitra Amboaran'i Madagasikara

Tafita any amin'ny manasa-dalana ny Inate sy ny CFFA

Sample post image

Ny mafy dia mafy ihany. Izany no azo hilazana ny fandresen'i Inate FC Rouge ny sabotsy

03-juin-2024

teo tetsy amin'ny kianja Elgeco Plus nanoloana ny Uscafoot. Niady ihany ny baolina saingy ho an'Antsirabe teo amin'ny lazon'ady satria tany amin'ny fanalavam-potoana no nampiditra ny baolina tokana ny Inate. Teo amin'ny lalao faharoa natao omaly indray dia resin'ny CFFA 2 noho 1 ny Zanakala izay azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra. Efa nisy baolina faharoa matin'ny Zanakala aza fa voadona i Mika mpiandry tsatokazo dia nolavin'ny mpitsara izany. Tsy nisy nokianina rahateo ny fitsarana nataon'i Andofetra Rakotoarijaona fa tena nanao ezaka lehibe izy aloha hatreto. Ny CFFA no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Anito "Mota" (23) saingy nosahalan'ny Zanakala izany raha vao nanomboka ny fidirana faharoa. Mbola nahafaty indray anefa Andoharanofotsy ka io isa 2 noho 1 io no nisarahana. Na izany aza dia mbola mitohy ny dianlny Zanakala izay vao nanilika ny AS Fanalamanga nandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara izay karakarain'ny CFEM.
Ireo ampahaefa-dalana roa kosa dia ho tontosaina ny 12 sy 13 jona satria manana mpilalao voatazona any amin'ny Barea ny ekipa roa. Nina izay Elgeco Plus ary Tendry sy Andy indray dia mpilalaon'ny Disciples. Marihina moa fa tsy maintsy tongz any amin'ny CAF mialohan'ny 30 jona ny anaran'ireo klioba tompondaka sy tompon'ny Amboara .
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique