airtel

Sport

19-déc-2023

Baolina Kitra Grand Tournoi

Analamanga Resy ny tompom-baolina

Sample post image

Notontosaina ny fiaran'ny herinandro teo ny ampahaefa-dalana teo ilay Grand Tournoi Analamanga

19-déc-2023

nokarakarain'ny Ligy Analamanga. Vaovao ratsy anefa no niseho satria manahy ny maro sao dia tapitra hatreo ity fifaninana ity satria resy ny CFFA izay tompom-baolina. Resy taorianan'ny fanalavam-potoana 1 noho 0 mantsy ity ekipan'i Tôta ity raha nihaona tamin'ny Elgeco Plus izay an'ny filohan'ny FMF, Alfred Randriamanampisoa. Tena niady ny lalao sady ireo mpitsara tsy sahy nanao vinany teo anatrehan'ireto olombe roalahy ireto. Na izany na tsy izany dia tsy azo lazaina miverina sahady eo amin'ny heriny aloha ny Elgeco Plus fa mba nanarinary baolina ihany. Ny ekipa tena nisongadina tamin'ity dia ny Disciples izay nanamontsana ny COSFA 3 noho 0 ka baolina roa no matin'i Mando izay voahosotra ho mpilalao mendrika tamin'iny fihaonana iny. Koa satria tsy voatery ho azo daholo babay sy loha-vohitra dia niondrika tamin'ny isa mavesatra 5 noho 0 ny Disciples Espoir izay tena mbola eo an-dalam-panamboarana taorinan'ny fitiliana faobe natao. Mety anefa ny tetika hatreto satria ohatr'izao mihintsy no fanao any amin'ny klioba vaventy any Eoropa satria avy amin'io Espoir io no miakatra na midina ny mpilalao ao aminy. Izay ilay atao hoe matihanina. Izany tsy misy very fa izay (vorona) maty hanina.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande

Card image cap
14-mars-2025

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso

Card image cap
13-mars-2025

10 taona aty aoriana, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra

Card image cap
13-mars-2025

Nivoaka omaly ny anaran'ireo mpilalao handrafitra n'y Barea hihaona amin'ny Ghana s'y Centrafrique any Maroc

Card image cap