airtel

Sport

17-nov-2023

Baolina kitra

Ho sarotra ny ady

Sample post image

Asa aloha na hatraiza ny fahamarinan'ny tombatombana ataon'ny Sofascore

17-nov-2023

fa dia lazaina fa mandresy ny Ghana rahariva. Nanome tarehimarika mihintsy aza hoe 76 isan-jato no mety handresen'ireto Kintana Mainty ireto raha 15 isan-jato ny sahala ary 8 isan-jato no mety handresen'ny Barea. Izay aloha ny tombatombana fa raha ny finoana indray dia tsy mbola resy tao Kumasi ny Black Stars ary mieritreritra ry André Ayew fa ho azo hoanina tsara ireto Barea ireto. Fa na sarotra toy izany ary ny raharaha dia tsy mbola very toky i Roro Rakotondrabe. Mino aho hoy izy fa ahavita fahagagana ny Barea amin'izao endriny izao. Ary marina ihany ny azy satria ankoatra an'i Melvin Adrien dia rindrina be ireo vodilaharana efatra sady mpilalao any amin'ny Ligue 2 ary ahitana an'i Kendji Van Boto, Thomas Fontaine, Déméleon ary Romain Metanire. Mbola mafy be koa ny rindrina voalohany misy an'i Marco Ilaimaharitra sy Rayan Raveloson ary Adrien Trebel raha atao 4-3-3 fa mbola afaka atao 4-4-2 io ka i Baggio no manampy ary Njiva Rakotoharimalala sy Caddy Warren no lohany na Loic Lapoussin. Dia hiteny ve ianao fa ho ratsy izany fandrafetana ny Barea izany. Ny tsy adino dia ny hoe mamono baolina koa ity Déméleon ity satria sady ranjanana no mbola mihazakazaka mafy indrindra amin'ireo mpilalao. Tena tsara raha fehezina ity Barea iray ity satria raha mbola hampiasa mpilalao hafa aza dia tsy azo ariana koa na i Tendry na i El Hadari fa na dia Safidy Titouan sy Rojo Be Mety miala dimy dia mampiditra dimy fa tonga dia manindry aloha izay halahatra voalohany.Ady io Ary ny fandresena ho an'ny olona vonona hiady.
Clément RABARY.

 

Dans la même rubrique