airtel

Sport

16-sept-2024

Baolina kitra

Mety ho tsara toerana i El Hadary

Sample post image

Nahabe resaka ny mikasika an'i El Hadary farany teo.

16-sept-2024

Mahay izy ary tsy azo lavina izany saingy noho izy tsy manana klioba dia mbola nataon'i Roro Rakotondrabe fiandry. Ny vaovao farany mahakasika aza anefa dia tena mahavelom-bolo satria dia tafiditra amin'ny sehatra tena matihanina i El Hadary amin'izao fandraisan'ny Ptemium Sports Management ao anaty lisitra izao. Ity orinasa ity izay misehatra ho an'ireo mpilalao sangany aty Afrika izany no hitady klioba ho azy. Ary inoana fa tsy ho sarotra aminy ny manamora ny fifindrany avy amin'ny Saint Michel United any Seychelles izay nilalaovany farany. Mirary soa ho an'ity zandrikely ity ho tafita idany mba ho tombontsoa ho an'ny Barea izay fantatra ny fanajany sy ny fitiavany azy. Inoana fa mbola hanampy azy koa i Clovis rainy izay reharehan'i Mahajanga hatramin'izay. Any amin'ny El Hadary izany ny baolina satria izy hatreto no mahatakona an'i Loic Lapoussin izay sahirankirana noho izy lasa any amin'ny ekipa zandrin'ny Union Sportive Saint Gilloise.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

Asa aloha raha noho ny fitadiavana izay marimaritra iraisana amin'ny fijerena izay

Card image cap