airtel

Sport

01-août-2023

Sport

Baolina Kitra Nahita irakiraka tena tsara ny Barea

Sample post image

Tsy mora ny nandresy an'i Mayotte izay vao avy nampitondra faisana ny ekipa voafantin'i Boeny (4 noho 0) saingy sendra ny Barea tongatonga ry zareo ny alahady teo.

01-août-2023

Nazava ny fandresen'ny Barea CHAN izay hanao Lalaon'ny Nosy tamin'ny isa 3 noho 1. Baolina matin' i Tony (Elgeco Plus), Tendry ( Disciples) ary Tsiry (Fosa). Ny tena namiratra anefa dia i Ando Kely Disciples na Andy Rakotondrajoa no tena anarany . Tsy vodilaharana toy ny mahazatra azy rehefa Disciples izy teo fa irakiraka. Safidy tena nahitan-bokatra sahady satria baolina avy aminy ni matin'i Tendry ary fanafihana voaravany indray no tonga tany amin'i Tsiry ny baolina fahatelo.Tena nety ny nataon'iry zandry kely ity ary raha mitohy ny ezaka dia mety tsy azo hozongozinina izy aoriana kely. Mety any amin'i Barea mihintsy aza ary azoampiarahana amin'i Rayan Raveloson sy Marco Ilaimaharitra ao afovoany ao. Sa ve hoe toto-tanana dia tsy mahavita azy ?
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique