airtel

Sport

26-déc-2023

Baolina kitra- OPL

Miziriziry amin'ny heviny i Tôta

Sample post image

Tsy maintsy arovana ny namana na dia hita aza fa hisavoritaka noho

26-déc-2023

izany fanampahan-kevitra izany ny fanantanteraha ny Pro League. Na tany amin'ny famoriana fanazavana ny tokony hataon'ireo klioba manoloana ny tari-dalana ataon'ny FIFA tetsy Mahamasina na tamin'ny fanaovana antsapaka ho an'ireo tafita amin'ny manasa-dalanan'ny Grand Tournoi Analamanga mantsy dia mbola nanizingizina ny filoha Tota Rakotoarimanana fa mijanona amin'io isa 18 io ireo mpandray anjara amin'ny taom-pilalaovana ho avy io. Tsy mivarina diviziona faharoa izany ny JET Kintana sy Tia Kitra na dia nataon'ny rehetra lalana aza.Ny tena tsy mety raha 18 ny ekipa ka hizara 9 any Avaratra ary 9 any Atsimo dia hisy klioba iray tsy hilalao foana izany ary lasa manalava ny fotoam-pilalaovana. Raha atao vondrona iray indray izy rehetra izay tokony ho izy raha tena hamoaka ekipa mahay dia tsy vita moramora na ara-bola na ara-potoana fa tsy maintsy hiala an-daharana ny kely vovok'aina. Ho sarotra tokoa izany hoe handeha any Diego dia hiverina any Toliara raha tsy hoe angaha omena ny klioba eo no ho eo ny vola azo rehetra na farafaharatsiny ny amoahany betsaka. Ao anaty eritreritra an'ireto mpitantana vaovao ireto ve anefa izany sa dia faly fotsiny hiteny hoe anay izao no mitondra dia izay tianao hanaovana azy fa izahay tsy hanary ny akama na inona antony na inona. Mivaona amin'ny fifanarahana namoronan'i Arizaka Rabekoto Raoul sy Arno Steekist tany am-piandohana anefa izao hataon'i Tôta izao. Fa angaha moa mbola misy lalàna eto no mahazo milatsaka amin'ny andraikitra telo azo tamin'ny fifidianana izany raha tsy vao izao. Sady filohan'ny ligy Analamanga mantsy i Tôta Henintsoa Rakotoarimanana no Ben'ny Tanànan'Andoharanofotsy dia mbola lany hitarika ny CFEM io indray. Mahay izy ka.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap