airtel

Sport

26-août-2024

Baolina kitra

Vita koa ny Elgeco !

Sample post image

Dia mbola "premier tour" dia vita toy ny mahazatra indray ny baolina kitra malagasy. Resin'ny Clube Desportivo Lunda

26-août-2024

Sul 1 noho 0 indray ny Elgeco Plus omaly tao amin'ny Kianja 11 novambra tao Luanda renivohitra. Tsy resy akory fa nahazo traikefa, hoy i Nina mpiandry tsatokazo. Tena mba nanohitra kosa aloha ny Elgeco Plus saingy tsy nisy nataon'ny Lunda Sul afatsy ny niaro tena taorian'ny baolina tokana matiny. Marina anefa ny tenin'ny mpanazatra Dekera hoe azo hatao ihany ireto Angole ireto saingy rehefa tsy mety izay ny atao dia misy voay hatramin'ny ranovola.Mbola mila ezaka na izany aza na dia efa voavorin'ny Elgeco ao aminy daholo aza ireo heverina ho sangany raha tsy hiteny afatsy Doddy, Jean Yves ary Feno. Raha mbola voatazona ao koa ireo nantsoina hanatevin-daharana ny klioba mandritra ity Amboaran'i Afrika ity dia mety lasa Barea 100 isan-jato. Ary raha izay no mety ho fandehany dia fantatra dieny izao fa amin'ity taom-pilalaovana miditra ity dia tsy maintsy Elgeco Plus sy Disciples indray no hanao famaranana raha tahiny ka mbola io fandaharana sadasada sady tsy Amboara no tsy tompondaka io ihany no ho raisin'ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitra izay voalaza fa handray an-tanana indray ny raharaha.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap