airtel

Sport

04-sept-2024

BAREA

Efa any Tonizia ny mason'ny rehetra

Sample post image

Efa vonona tanteraka ny Barea hiatrika ny fihaonana amin'ny Tonizia ao amin'ny kianja ao Rades.

04-sept-2024

Efa vonona araka ny fiteny ihany anefa fa mbola baraingo ny mety alahatr'i Roro Rakotondrabe eo rahampitso. Misy fanontaniana tsy nahazoana valiny mantsy hatreto toy ny hoe atao lohany ihany ve Arnaud sa maka ny toeran'i Tendry aty amin'ny ilany havia ? Mbola atao kapiteny tsy maintsy ajoro ve i Ibrahim Amada nefa tsy manana klioba ary efa any an-toerana koa anefa i Johan N'Zi, milalao ao amin'ny Lokomotiv Plovdiv izay diviziona voalohany any Bulgarie izay irakiraka mpanafika. Ny any aorina indray raha tsy hiadiana hevitra ny maha tompon-toerana an'i Louis Domeleon dia iza no hampiarahana aminy Berajo sa Thomas Fontaine nefa mbola eo koa i Sandro Tremoulet izay mpilalaon'ny Ararat Erevan izay diviziona voalohany any Armenie.Tena sarotra ny fandidiana satria tsy fantatra koa izay havoakan'ireo mpilalao mbola tsy manana klioba na vao nifindra ary tafiditra amin'izany i Loïc Lapoussin sy El Hadary. Ny zava-misy anefa dia betsaka toto-tanana ihany koa ny mandrafitra ny Tonizia ka mety ho azo atao ihany.Ny marina raha mbola te ho tafita ny Barea dia tokony atao izay handresena na farafagaratsiby manao sahala na tsy midika inona ary izany satria raha izao miseho izao dia mbola any an-tanin'olona no handray ny lalao miverina.
Clément RABARY 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap