airtel

Sport

28-mai-2024

Barea

Fa misy havan'ny FMF ve any Luxembourg ?

Sample post image

Mieritreritra ny ho tafita any amin'ny Amboara eran-tany 2026 ny Barea.

28-mai-2024

Faniriana ihany izany fa raha ny vaovao farany aloha dia toa tsy mirona makany ny lalana. Re mantsy izao fa taorian'ny tsy fahafahan'i Metanire dia i Thierno Millimono no nantsoin'i Roro Rakotondrabe hisolo ny toerana. Diso anefa raha tena izay fa vodilaharana havia ity mpilalaon'ny US Monfort ity fa tsy aty amin'ny ilany havanana izay banga. Mampanotany tena ihany hoe tsy maintsy mpilalao any Luxembourg ve nefa fanta-poko fanta-pirenena fa ambany dia ambany ny lentan'izany Luxembourg izany. Ity Monfort ity aza dia mbola laharana faha 9 no misy azy amin'izao. Mety misy hihavanana hafa mihitsy angamba sa ve i Plâtre, ilay mpilalaon'ny St Michel taloha izay monina any ary akaiky ny Swift Hespéranze no mitondra ny baolina rehetra ka nahatonga an'i Clément Couturier ? Hafahafa ihany raha ny ahazo vokatra tsara no tanjona. Tsy afaka koa i Adelakom Noah izay mpilalao ao Auxerre ary nantsoina tsy fidiny i Angelo Andrianantenaina hameno ny banga. Tsy fidiny satria efa nantsoina sy niantohan'ny fanjakana ny saran-dalana tamin'ny Lalaon'ny Nosy ary teto an-tanana izy fa tsy namonjy fampivondronana raha tsy iray andro mialoha fa mbola tany amin'ny fianakaviany ary izay no antony tsy nandraisan'i Roro Rakotondrabe azy. Nilamina ve izany ny disadisa matoa tonga amin'izao ? Ny faniriana dia hoe milamina satria isan'ny mahay i Angelo ao amin'ny AS Excelsior. Izy rahateo no nampiditra baolina betsaka indrindra fa asa izay ataony fa tsy misy hifandraisana amin'ny FC Réunion izay R1 anie izany Comores izany ary maika moa fa ny Mali .Raha mirehareha izao isika manana an'i Rayan Raveloson fa lasa ligue 1 i Auxerre dia aza adino fa miaraka milalao ao aminy koa i Sinayoko izay loholaharana. Betsaka ireo mpilalaon'ny Mali milalao avo lenta ohatra i Hamari Traoré (Real Sociedad), Yves Bissouma ( Tottenham), Amidou Haidara ( RB Leipzig), El Bilal Toure (Atalanta) ary Ibrahim Diarra izay tena Stade Brestois Ligue 1 fa tsy AS Brestoise R2. Ny Comores indray ny tena tombony dia ny fananany an'i Youssouf M'Changama eo amin'ny toeran'ny irakiraka ka mandalo ao aminy daholo ny baolina. Marihina fa irakiraka ao amin'ny Troyes no misy azy. Afaka ampiadiana amin'ireo ve ny Barea ?Izany no fanontaniana mipetraka amin'ny rehetra.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique