airtel

Sport

17-oct-2024

Barea hanao « mondial 2026»

Nofy raha tsy misy fanovam-pitantanana faran’izay haingana

Sample post image

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

17-oct-2024

raha ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila hanaovana tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra 2026 ho an’ny vondrona I no resahina. Tsiahivina fa nandresy an’i Tchad 2 noho 0 ny 11 jona teo izy ireo ka manana isa 9. Faharoa i Ghana, manana isa 9 ihany koa ary fahatelo i Madagasikara manana isa 7. Fahaefatra i Mali (isa 5) ary fahadimy i Centrafrique (isa 4). Tchad moa izany tsy manana isa. Ny volana martsa 2025 any ho any indray ny lalao manaraka. Azo lazaina ho mbola manana herijika ny malagasy. Izay tafavoaka voalohany ao anatin’ny vondrona no miatrika avy hatrany ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, raha toa ka kely ny herijika ho an’ny laharana faharoa, izay tsy maintsy handalo dingana fifanintsanana maro raha toa ka tafiditra ho isan’ireo faharoa tsara indrindra tao anaty vondrona. Samy manantena izany eto ny mpanohana ny ekipam-pirenena na Barean’i Madagasikara fa hiroso amina fanamboarana goavana aloha ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra mba ho vahaolana fohy ezaka aloha, fara faha ratsiny, ahazoana vokatra tsara amin’izay fifaninanana iraisampirenena avo lenta indrindra maneran-tany izay. Efa niaraha-nahita ireny ny vokatry ny fianteherana amin’ny valim-panafihana fotsiny sy ny tsy fanaovana afa-tsy fiarovan-tena mandritry ny 90 minitra mahery. Tsy nisy famokarana ekipa mpanafika mihitsy ary efa voatsikeran’ireo mpanara-baovao ara-panatanjahantena foana moa izay hoe tsy manana lohalaharana isika. Tsy manana mpamono baolina tena azo antoka ary na ny aty amin’ny vodilaharana sy afovoanin’ny kianja aza dia azo lazaina hoe eo ho eo ihany. 4 tamin’ireo mpilalao miisa 11 najoro voalohany no milalao amina klioba goavana, raha raisina fotsiny tamin’ny fihaonana tamin’i Gambia farany teo. Ny an’olona anefa saika ny mpilalao manontolo mijoro mihitsy no milalao amina fifaninanam-pirenena avo lenta. Raha tsy misy, araka izany, ny fanovam-pitantanana faran’izay haingana izay ekipam-pirenena izay aloha mialohan’ny hanovana manontolo ny fitantanana ny kitra malagasy mihitsy dia heverina fa nofy lalina ihany izany hoe hanao tompondaka eran-tany na «Mondial» izany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique