airtel

Sport

06-sept-2023

Barea

Mila ezaka ny mpiandry harato

Sample post image

Mety mahasolo an'i Dadafara koa ve i Gianni izay mpilalao U19 amjn'ny US Torcy?

06-sept-2023

Ny mety hiseho dia ny ampidirana ireo zandry kely ireo izay tena ilaina atsy ho atsy. Fa na izany aloha dia tsara ilay fanapahan-kevitra. Mitodika any amin'i Bernardin ilay mpanazatra ny mpiandry tsatokazo indray ny mason'ny rehetra satria izy no tokony hanitsy an'i Nina amin'ny resaka fivoahana ireny. Manontany tena koa mantsy ny maro hoe angaha tsy nety no nataon'i Fabrice mpilalaon'ny Fosa, nanoloana ny Club M Maorisy no dia tsy nantsoina izy nefa i Melvin Adrien izay mpilalan'ny Thonon Gaillard izay klioban'ny diviziona fahaefatra any Frantsa aza mbola ao. Misy tsy milamina ao ary izat koa no mahatonga ny olona hajontany hoe maninona no tsy omena an'i Popaul Razafindralambo koa ny andraikitry ny mpanazatra ny mpiandry tsatokazo.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap