airtel

Sport

15-juin-2023

Sport

Barea Tonga tsy nantsoina i Amada sy Carolus

Sample post image

Mafy ny mahazo ny mpanazatra Roro Rakotondrabe izay tsy takona afenina fa hiaran'ny tsindry samihafa hany ka lasa 28 no eo raha 23 no tena ara-dalana.

15-juin-2023

Asa aloha fa dia isan'ny tonga tsy nantsoina i Amada Ibrahim sy Carolus Andriamahitsinoro. Tsy tao anaty lisitra voalohany ireo moilalao 'tranainy" ireto saingy tsy fantatra fa dia tonga izy ireo. I Amada moa dia efa ny andro voalohany fa dia tsy nisy sahy namilika azy. Tonga koa Carolus miaraka tamin'ny vady aman-janany fa dia iny izy namonjy ny Barea. Ny fanontaniana napetraka mikasika azy no nahafantarana fa hanolo an'i Njiva ixy Lasa vazaha nisolo vaxaha izany satria efa samy tao anatin'ny Barea nandritry ny CAN 2019 ireo Dia izay ve ilay politika hoe hanarina nefa dia mbola ny mpilalaon'i Dupuis ihany no nantsoina. Ary tsy hoe nantsoina fa ireo tena tokony ho tompon-toerana indray no tsy eo dia i Rayan Raveloson, Marco Ilaimaharitra ary Loïc Lapoussin. Inona marina izany no tiana hatongavana nefa raha ny Lalaon'ny Nosy no tanjona dia natao aiza ry Carlos sy Rojo Be ary Ando Rakotondrazaka. Ny fotoana anefa ityefa akaiky ihany ary tena tsy azo eritreretona akory izany hoe eo Mahamadina ny Lalaon'ny Nosy no hatao dia tsy axo indray ny medaly volamena.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap