airtel

Sport

06-juin-2024

Barea

Tsy navelan'ny kliobany i Boyer

Sample post image

Nazava tsy nisy nanombinana ny voalazan’i Boyer mahakasika ny tsy fahatongavany namonjy ny Barea.

06-juin-2024

Nolazaina aza fa ny JS St Pierroise mihintsy no tsy namela azy handeha. Tsy maratra izy fa vao avy naratra teo aloha teo, vao telo herinandro izay ka izany ny isan'ny nanakanana azy tsy ho any Johannesbourg. Nanelanelana nitady fanazavana ihany ny mpanazatra Roro Rakotondrabe saingy valy anavona no azony tamin'ny voalohany ka nilazan'ny tompon’andraikitra iray hoe : ento any ary i Fabien Boyer dia aza averina intsony. Mbola niady ihany i Roro mba ahazoana an'i Fabien Boyer saingy tena tsy nilefitra ny St Pierroise fa niteny hoe na i Ando na i Fabien no mandeha fa tsy izy roalahy. I Fabien Boyer izay tena mifankahazo am-po amin'i Roro anefa dia naneho ny fahavononany hanatevina ny Barea saingy nisy io ny didy tsy azo hivalozana navoakan'ny JS Saint Pierroise io. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia ny hoe : manaiky izany ve be federasiona malagasy satria dia ny FIFA no manapaka fa rehefa voantso ao anaty ekipam-pirenena dia tsy maintsy mandeha. Tokony mba mandray fepetra ny filoha Alfred Randriamanampisoa satria tsy miafina amin'ny rehetra fa tena ilaina ity Fabien Boyer raha atao vodilaharana afovoany. Asa aloha fa toa hoe tsara koa hono ilay Tremoulet nasolo ny toerany. Saingy mahay miaraka amin'i Thomas Fontaine ve ? Tsy tsapatsapa intsony mantsy izao fa izay tokony handresy ny Comores sy Mali no tokony hajoro.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique