airtel

Sport

04-déc-2023

Basket 3x3-Laharana fahatelo ny Malagasy

Votsotra ny tapakilan’ny lalao Olaimpika

Sample post image

Mbola mijanona ho nofy izany hoe hisy taranja hiraisana malagasy handeha any amin'ny Lalao Olimpika

04-déc-2023

izany hatreto ! Raha nieritreritra ny rehetra fa taorianan'ny fandresena miezinezina nanoloana ny Frantsa dia ho mora ny hanilika ireo Afrikanina sady izay indray mbola ny Malagasy no tompondaka farany, dia tsy nahomby anefa ny tetika omaly fa resin'i Nigeria 17 noho 15 ry Elly sy ireo namany. Tsy dia mifanalavitra anefa ny fahaizana fa izay ilay sanjila. Tena niady mafy sy tao amin'ny heriny anefa raha Elly Randriamampionona irery no resaka satria izy no namono baolina betsaka indray hatramin'io manasa-dalana io. Mety vizana tany Johannesburg koa angamba ny Polisy roalahy, Arnol sy Livio fa dia tsy nahatafaverina ny zavatra nataony tany Shina. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa ny lalana akaiky indrindra handehanana any Paris fa dia io moa rehefa tsy mety izay dia ny ranovola aza misy voay. Resy torak'izany teo ankatoky ny famaranana koa ny Ankoay vehivavy nanoloana ny Egypta. Nandresy 18 noho 14 ity farany. Velom-bolo ihany anefa ry Muriel sy Sydonie talohan'io lalao io satria dia nataony tsy nisotro rano, 16 noho 12 ny Alzerianina teo amin'ny ampahaefa-dalana. Tapitra hatreo izany ny nofinofy ho an'ny Malagasy hiatrika ny Lalao Olaimpika na samy nivoaka mpandresy tamin'ny lalao fiadian-toerana aza. Nandavo an'i Algérie tamin'ny isa 20-16 ry Elly, Rick-ley, Arnold, Livio. 19 -17 kosa no nandresen-dry Muriel, Christiane, Sydonie, Sarobidy an'i Ouganda. Samy niakatra « Podium » izany ny ekipam-pirenena Malagasy sokajy lahy sy vavy. Votsotra teo am-pelantanantsika anefa ny anaram-boninahitra tompondakan’i Afrika ho an’ny lehilahy izay i Madagasikara no tompondaka tamin’ny 2022, ka nahafantsika nahazo ny tapakila niatrehana ny tompondaka eran-tany vao volana vitsy lasa izay. Atao ahoana fa amin'ny herintaona indray. Ny lesona azo tsohahana dia ny hoe tsy tokony hafangaro ny mpilalao fa rehefa 5x5 dia tsy tokony 3x3 intsony toy ny any amin'ny firenena eoropeanina. Ny antsika hatreto izay ekipam-pirenena dia tsy maintsy misy an'i Elly, Livio ary Arnol. Fa angaha dia tena tsy misy azo ajoro intsony fa lany tamingana.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

30-déc-2024

Tafita any amin’ny dingana famaranan’ny CHAN 2025 ny ekipam-pirenena Malagasy

Card image cap
30-déc-2024

Ankizy 40 mahery no tonga niatrika ny fampiofanana, nisy ny fanazaran-tena isan'andro amin'ny 7 ora

Card image cap