airtel

Sport

07-oct-2024

Basket-ball N1A Elite 8

Nanao poa-droa ny zandary

Sample post image

Ela ny ela ka nisy nandresy ihany ny MB2ALL rehefa nanjakazaka an-taonany maro.

07-oct-2024

Resin'ny GNBC teo amin'ny famaranana omaly tao amin''ny Lapan'ny Fanatanjahantena ry Muriel sy ireo namany.Voan'ny Zandary teo amin'ny lazon'ady. Nitovy anefa ny isa, 46 noho 46, teo amin'ny tapa-potoana fahatelo saingy izay ihany dia tsy tazana intsony ireto ankizin'i Ndranto ireto.Tetsy andaniny mantsy dia nety avokoa ny nataon-dry Sambatra sy Chine ary Sarobidy ka hita hosahirana ny MB2ALL na dia nanao izay ho afany aza i Christiane izay nampiditra baolina betsaka indrindra tao amin'ny ekipany. Mbola nisy dimy minitra tsy ahataperan'ny lalao dia efa fantatra fa ho votsotra eo am-pelatanan'ny MB2ALL ny anaram-boninahitra.Hany herin'ireo mpanohana aza dia ny filazana hoe efa tena ekipa voafantina ireto GNBC ireto. Ka na marina aza izany fomba fiady ihany sady mampiakatra ny lentan'ilay taranja.
POA-DROA
Taorian'ny poa-droa nataon'ny Zandary teo amin'ny volley-ball izany dia io fa nalainy koa ny basketball N1A Elite 8 na sokajy lehilahy na sokajy vehivavy GNBC Ho an'ny sokajy vehivavy dia nandresy mazava be ny MB2ALL ny zandary (65 -77). Teo amin'ny zazalahy kosa izay lalao tena niady saingy nanatombo izany aloha mu zandary nihoatra tamin'ny ASCUT. 72 - 78 ny isa nisarahana. Raha izao toe-tsaina vonon-kiady izao foana no asehon'ny Zandary dia mety hangorohoro hatramin'ny dahalo satria tsy maintsy ekipa voafantina havanana amin'ny tifitra vary raraka koa no ho hajorony. Enga anie !
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap