airtel

Sport

25-sept-2024

Basketball

Nakotrokotroka ny fetin'i Deda Randrianarivelo

Sample post image

Vita soa aman-tsara ny fety nokarakarain'i Deda Randrianarivelo ho hanamarihina ny faha 50 taona

25-sept-2024

nilalaovany ary faha 45 taona naha mpanazatra azy. Tonga nanotrona azy daholo ireo namany, ireo mpiara-milalao ary ny mpikambana avy amin'ny federasiona.Ny tena nanamarika ny dian'i Deda Randrianarivelo dia ny nahazoany ny tompondakan'i Afrika teo amin'ny lalaon'olona telo.Efa nandresy ny Frantsay koa anefa ny ekipa entiny ity ahitana an'i Elly, Livio, Arnold ary Fiary. Tena mahay izy fa ny somary mahagaga kely dia toa nijery fotsiny ny minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.Tsy ahita mpanazatra nahavita be toy izzo anefa ny eny Ambohijatovo.Raha ny marina aza dia mendrika tolorana mari-boninahitra ambony i Deda Randrianarivelo satria tena nahavita be ity zanak'Antsirabe ity.Mpilalao baskety rahateo ny dadany ary izay no nahatonga azy hirotsaka amin'io taranja io teo amin'ny kianja kely iray teo Antsenakely.Vao 14 taona izy no nanomboka nilalao basket ary mbola milalao foana 50 taona aty aoriana.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap