airtel

Sport

28-déc-2023

Betafo

Renivohitry ny baolina kitra mandritra ny hateloana

Sample post image

Raha ny baolina kitra no maha mpanankarena efa ela i Betafo no milaridera.

28-déc-2023

Taorian'ny Open nokarakarain'ny solombavambahoaka Dr Lova Fiarovana mantsy dia izao indray fa misy ity Katita Milalao karakarain'ny klioba Disciples nanomboka omaly ity. Vory lanona ny lafivalo satria ahitana mpandray anjara avy any Ambositra sy Antananarivo miampy ireo manodidina toa Ambohibary sy Antsirabe ary Betafo mazava ho azy. Fety be izay nosokafan-dRamatoa Ravakiniaina, lehiben'ny Distrika Betafo. Ekipa tsy latsaky ny 30 no mandray anjara amin'ny sokajy latsaky ny 10 taona ka hatramin'ny 17 taona miampy ireo sokajy zokiny ao amin'ny diviziona voalohany. Ny tena mahafaly dia maro be ireo sekolin'ny baolina kitra no mandray anjara toa ny FAV avy Antsirabe izay entin'i Jean Marie ilay efa mpanazatra ny ekipam-pirenena fony mbola Scorpions.Aty an-toerana koa ny kapitenin'ny Scorpions, Mamisoa Razafindrakoto izay mitondra ny Dignitas.Tsara ity ezaky ny Disciples ity indrindra fa raha misy teknisianina avy amin'ny Federasiona satria izao no fotoana hijerena ireo mpilalao mendrika arahi-maso. Tsetsatsetsa tsy aritra no hikazana eto fa Didier Deschamps sy Marcel Dessailly izay tompondaka eran-tany 1998 dia efa niaraka nandrafitra ny FC Nantes U13. Dia io ny vokany.
ENCADRE
Toy izao ireo voka-dalao nandritry ny andro valohany ny Katita Milalao tany Betafo U9 : Disciples FC 1 sy Dignitas 1 sy 1 ; FFB# Disciples 2....3 noho 2 U11 : FAV # Requin...0 sy 0 DAM Ambohibary # CFFB...3 noho 1 Dignitas # Disciples FC...2 noho 0 FFJA # AS Valahara...2 noho 1 U13 : FFJA # Requin...3 noho 0 To Sportif # FAV...0 sy 0 Hero Sport # Disciples FC 1 noho 0 ; Dignitas # JSA...1 noho 0 U17 : DAM Ambohibary # To Sportif...0 noho 0 FF3A # Ajax City...0 sy 0 Hero Sport # Lynx...1 noho 0 QFC # Antanambao...0 noho 0 Disciples FC # Requin 0 sy 0 FFJA # JSA...1 sy 1 Seniors Etoile Rouge # Lynx 5 noho 0 Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap