airtel

Sport

08-juil-2024

CAN 2025

Amin’ny septambra ny valin’adin’ny Barea amin’i Tonizia

Sample post image

Amin’ny septambra 2024, eo anelanelan’ny faha 2 hatramin’ny faha 10n’ny volana eo,

08-juil-2024

izany ny valin’adin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara amin’ny Voromaherin’i Carthagen’i Tonizia, raha ny fandaharam-potoana voaray momba ny fifanintsanana ahazoana ny tapakilan’ny amboaran’i Afrika manaraka na CAN 2025 voaray ny faran’ny herinandro teo. Ry zareo tonizianina mihitsy no hihaona amintsika ny andro voalohany ary ny kaomorianina no faharoa. Aorian’izay dia avy hatrany dia ny ekipam-pirenena gambianina no manohy izany amin’ny andro faha 3 sy faha 4 eo anelanelan’ny 7 hatramin’ny 15 oktobra 2024 eo. Eo anelanelan’ny 11 hatramin’ny 19 novambra kosa no ho tontosaina ny andro faha 5, izay hanaovantsika ny lalao miverina amin’i Tonizia, sy ny andro faha 6 farany hiverenantsika mihaona amin’ny Coalencathes atsy Kaomoro indray. Efa latsaky ny 2 volana sahady izany, araka izany, dia hoavy ny sedra voalohany eo amin’izay CAN 2025 izay.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

04-oct-2024

Ny 5 hatramin’ny 7 novambra 2024 izao no ho tontosaina ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena

Card image cap
03-oct-2024

Mbola mety ho mafimafy noho ny tamin'ny taon-dasa ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan'i Madagasikara

Card image cap