na kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra ny antsapaka ho an’ny dingana savaranonando na "Tour Préliminaire" hahazoana ny tapakila any amin’ny Tompondakan’i Afrika na CAN 2025, raha ny fampitam-baovao ofisialy voaray ny sabotsy. Ireo ekipa miisa 8 ratsy toerana indrindra ao amin'ny filaharana ofisialy navoakan'ny FIFA na Federasionina iraisampirenen’ny baolina kitra, noho izany, no miatrika ity dingana savaranonando ity. Tahaka izao kosa no fandaharam-potoana fantatra navoakan'ny CAF mikasika ny fifanintsanan’ny CAN 2025, izay mety mbola hisy fiovana. Hanomboka ny 18 martsa 2024 hatramin'ny 26 martsa 2024 ny dingana savaranonando. Ny 2 septambra 2024 hatramin'ny 10 septambra 2024 ny andro voalohany sy faharoa. Ny 7 oktobra 2024 hatramin'ny 15 oktobra 2024 ny fahatelo sy fahaefatra. Ny 11 novambra 2024 hatramin'ny 19 novambra 2024 ny faha 5 sy faha 6. Diso tanteraka, noho izany, ireo fanasokajiana efa miparitaka izay milaza ny sokajy misy ny ekipam-pirenena malagasy na Barea any ho any, raha ny fampitam-baovao hatrany, satria tsy mbola nisy antsapaka natao izany.
J. Mirija
10 taona aty aoriana, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra
Nivoaka omaly ny anaran'ireo mpilalao handrafitra n'y Barea hihaona amin'ny Ghana s'y Centrafrique any Maroc
Hanainga anio alakamisy 12 martsa ho any Bangkok Thaïlande, ny ekipam-pirenena Ankoay
Dr Patrice Motsepe ihany no ho filohan’ny Kaofederasionina Afrikanina mikasika ny baolina kitra na ny CAF.