airtel

Sport

04-sept-2023

Sport

Clarisse Rasoarizay Nahavita niatrika lalaon’ny Nosy im-pito

Sample post image

Mendrika ary fakan-tahaka amin’ny lafiny fitiavana fanatanjahantena sy fikirizana I Clarisse Rasoarizay,

04-sept-2023

atleta Malagasy isan’ny zokiny indrindra nandray anjara tamin’ny Lalaon’ny Nosy farany teo. Efa 52 taona izy ankehitriny, fiaingana faha-7 amin'ny Lalaon’ny Nosy ny an'i Clarisse Rasoarizay tamin’ny taranja semi-marathon nataony androany alahady 03 septambra 2023 teo, ka teo amin’ny laharana faha-6 no nisy azy. Izy izany no atleta Malagasy niatrika lalaon’ny Nosy im-betsaka indrindra. Efa in-dimy niambozona medaly i Clarisse Rasoarizay hatramin’izay, ary iny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 farany teo iny no fandraisana anjara farany ho azy ho an’ity lalao aty amin’ny Ranomasina Indianina ity. Mendrika alain-tahaka ny finiavana nananany, ary isaorana be dia be izy tamin’izay rehefa vitany, ka nanandratany hatrany ny voninahi-pirenena.
Nangonin’I Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap