airtel

Sport

13-juin-2024

Euro 2024 handeha TVM

Mahatsiaro voafitaka ny Gasy, zara raha 12 amin’ny 51…

Sample post image

Nofitahan’ny Fitondrana Rajoelina indray ny Malagasy mikasika ny fandefasana mivantana ireo

13-juin-2024

lalao ara-panatanjahantena malaza maneran-tany amin’ny TVM. Tahaka ilay fampanantenana poakaty tamin’ny 2018 hoe : nisy filoham-pirenena ampahana lalao nalefany fa izaho handefa manontolo. Nambara tao amin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny 02 mey, andro vitsy mialohan’ny fanombohan’ny propagandy ny hoe : «Iaraha-mahalala ny fankafizan’ny Malagasy ny baolina kitra, ka ho fanomezana fahafaham-po ny vahoaka tsy an-kanavaka, dia nankatoavin’ny filankevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tànana ny fandoavana ny saran’ny fandefasana ireo lalao mandritra ny fifaninanana Confédération Africaine de Football 2024 sy ny UEFA Euro 2024 ». Manomboka rahampitso 14 jona hatramin’ny 14 jolay ny « Euro 2024 » tanterahana any Allemagne, ka i Allemagne mpampiantrano sy Ecosse no hanokatra ny lalao anio amin’ny 10 ora alina. Betsaka ny mpitia baolina kitra nanantena fa afaka hisitraka manontolo ireo lalao 51, saingy raha ny serasera samihafa hita dia 12 ihany no azon’ny Malagasy sitrahana mivantana dia ny fanokafana, lalao isam-bondrona 5, ampahavalon-dàlana 2, ampahefa-dàlana 2, manasa-dalana 1, ary ny famaranana. Aiza ilay hoe : nisy filoham-pirenena ampahana lalao ihany no nalefany fa ny ahy manontolo ? Nahoana no tsy nambara mazava tany am-boalohany fa 12 ihany ny lalao hositrahana ? Tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana no nanaovana ny serasera fa dia hisitraka ny « Euro 2024 » amin’ny alalan’ny fampitana mivantana amin’ny TVM isika ary tamin’izany no efa betsaka no nametra-panontaniana hoe : sao mba tetika hakana ny fon’ny olona fotsiny ary tsy ny lalao manontolo no hositrahana fa ampahany vitsy ? Dia io fa mitranga tokoa, ka tsy dia atao mahagaga loatra ny fampanantenana tsy tonga volana tahaka itony. Sa handiso io resaka lalao 12 fotsiny io ny Fanjakana ka hilaza fa izy manontolo mihitsy no hositrahana mba hanomezana fahafaham-po ny rehetra ? Marina fa tsy mitovy ny misy an’ireo sy ny tsy misy saingy mila ampahatsiahivina ve fa afaka nisitraka izany manontolo tsy niahiahy akory hoe : hisy na tsy hisy ny Malagasy tany aloha ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juil-2024

vita omaly ny antsapaka mamaritra ny fizaram-bondrona ao anatin’ny fifanintsanan’ny

Card image cap
05-juil-2024

Raha atotaly dia miisa 138 ireo lalao niarahan’ilay vodilaharana malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra,

Card image cap
04-juil-2024

Ho tontosaina anio alakamisy 04 jolay etsy amin'ny kianja By Pass

Card image cap