airtel

Sport

17-juin-2024

Euro 2024 sy ny TVM

Mangasihasy ny Gasy, amin’ny alakamisy indray mihaona!

Sample post image

Nangasihasy mihitsy ireo mpankafy baolina kitra teto Madagasikara ny faran’ny herinandro

17-juin-2024

teo nijery ny fandaharam-potoana amin’ity Euro 2024 na tompondakan’i Eoropa eo amin’ny taranja baolina kitra atao any Alemanina ity. Lalao tokana tao anatin’ireo lalao miisa 6 tamin’iny faran’ny herinandro iny no mba voalahatra tao anaty fandaharam-potoana fa handeha tamin’ny fahitalavitra nasionaly dia ny fihaonana teo amin’ny ekipam-pirenen’i Serbia sy Angletera. Amin’io koa mbola ilay tamin’ny 10 ora alina mihitsy. Amin’ny alakamisy izao indray anefa taorian’iny ny Euro 2024 sy ny TVM na Televizionina malagasy vao mihaona! Azo lazaina ho tena baolina miady satria fihaonana eo amin’ny La Roja, ekipam-pirenen’i Espainina, sy ny Squadra Azzura italianina io saingy mbola amin’ny 10 ora alina ihany koa. Heverina fa tsara kosa anefa etsy ankilan’izay ny manamarika fa lalao miisa 12 eo avokoa no saika azon’ireo fahitalavim-pirenena na vahiny afaka hita eto Madagasikara na amin’ny alalan’ny satelita aza, raha ny fandaminana napetraky ny UEFA na federasionina eoropeanina, araka ny fifanarahana natao tamin’ireo fahitalavitra ireo avy. Isan’ny voakasik’izay fifanarahana izay ny TVM, ny Bein sports 1 sy 2, ny Antenne Réunion, ny TF1, ny M6. Ireo fahitalavitra iraisampirenena miompana amin’ny fanatanjahantena toy ny New world sport sy ny Supersport football ary Supersport Premier league ihany kosa no afaka misitraka manontolo ny fampitana ny lalao rehetra. Ny mety ho fiovana eny an-tenantenan-dalana eny izany no andrandraina fatratra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique