airtel

Sport

02-juil-2024

Euro 2024

Tafita nanoloana ny Belza ny Frantsay

Sample post image

Lalao ampahavalon-dàlana fahadimy ho an’ny Euro 2024 ny fifandonan’i France Belgique omaly.

02-juil-2024

Azo lazaina ho niady ny baolina, ary nifamaliana ny fanafihana na somary nanindry kokoa aza ny Frantsay. Ny ekipan’i Kylian Mbappé no nivoaka nandresy tany amin’ny minitra faha-85 rehefa namono tena i Verthongen vodilaharana belza, ka io no nisarahana. Izay nandresy tamin’i Portugal sy Slovenie lalao faharoa alina no hifandona amin’ny Frantsay amin’ny ampahefa-dàlana. Izay tafavoaka eo kosa no mifandona amin’izay mandresy amin’i Espagne sy Allemagne, izay voatery tsy maintsy hifandona amin’ny ampahefa-dàlana. Ny tombatombana hatreto, dia izay tafavoaka amin’izy ireo no heverina fa mety hibata ny amboara. Ho an’ny anio, dia baolina be ihany koa ny an’i Roumanie sy Pays-Bas ka tombanana hanana herijika kokoa ny Hollandais eto. Tahaka izany ihany koa ny lalaon’io Autiche sy Turquie izay tombanana fa tena hangotraka. Izay roa tafavoaka no hifandona amin’ny ampahefa-dàlana, ary izay mandresy aorian’izay dia hifandona amin’izay tafavoaka amin’i Angleterre sy Suisse izay ampahefa-dàlana tena hangotraka ihany koa.
Toky R
 

Dans la même rubrique