raha atao mivantana ny fomba filaza azy. Ankoatran'ny antsapaka dia nisy ihany koa ny fivoriana niarahan'ireo mpandray anjara amin'ny taranja baolina kitra amin'ity lalaon'ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina atao eto Madagasikara ity teny amin'ny kianjan'i Mahamasina omaly tolakandro. Nafana ny resaka mahakasika an'ity vodilaharana tena andrin’ny Barea ity, raha ny fampitam-baovao voaray. Navoakan-dry zareo reinioney ny lisitra sy ny fahazoan-dalana na "accréditation" misy ny anaran'i Fabien Boyer. Nanizingizina izy ireo fa mpilalaony ity nisafidy ny hiaro ny voninahim-pirenena malagasy ity. Tapaka taorian'ny fivoriana fa tsy afaka hiakatra kianja intsony amin'ity lalaon'ny nosy 2023 ity i Fabien Boyer, noho ny fananany izay taratasy miisa 2 amin'ny ekipam-pirenena malagasy sy reinioney izay. Inoana fa manana vahaolana ny mpanazatra malagasy Romuald Rakotondrabe fa na izany na tsy izany aloha dia mampahatsiahy ny zava-nisy tamin’ny taona 2007 indray ny adin-dry zareo reinioney ireto satria tamin’ireny fotoana ireny na dia hita ho faran’ny avo noho ny azy ireo aza ny haavo tekinikan’ny lalaon’ny malagasy dia mbola natongilana taty amin’ny reinioney ihany ny fandresena rehefa nisaraka tsy nisy nitoko teo amin’ny fe-potoana ara-dalana sy fanalavam-potoana ka voatery niroso tamin’ny tsotsoromamba isarahana na “tir au but”. Efa nisy baolina 1 matin’i Voavy Paulin tamin’ireny saingy nolavin’ny mpitsara. Tsy nidiram-baolina na iray aza ny ekipam-pirenena malagasy raha tsy tamin’izay tsotsoromamba nifanaovana tamin’i La Reunion izay raha toa ka nandresy tataka be an’i Seychelle 3 noho 0 tamin’ny andro faharoa, nandresy 2 noho 0 an’i Kaomoro tamin’ny andro voalohany ary nandresy an’i Mayotte 4 noho 0 tamin’ny manasa-dalana. Ny mpilalaon’ny klioba frantsay RC Lens teo aloha izay sady efa nanazatra ny katitakelin’ity klioba ity ihany koa, Arsène Malabary, moa no nanazatra ny ekipam-pirenena malagasy nandritr’ireny lalaon’ny nosy 2007 ireny.
J. Mirija
Nanavao ny laharan'ny firenena amin'ny Basket 3x3 ny Federasiona Iraisam-pirenena amin'ny
Miozongozona ny toeran’i Rayan Raveloson, ilay mpilalao malagasy 27 taona heverina