airtel

Sport

13-mai-2024

Famaranana ny amboaran’i Luxembourg

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier

Sample post image

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

13-mai-2024

nandritry ny famaranana ny amboaran’i Luxembourg eo amin’ny taranja baolina kitra ny faran’ny herinandro teo. Azo ambara ho namiratra mihitsy aza moa ity mpilalao malagasy ity nandritr’ity fihaonana tamin’ny FC Progrès Niederkorn ity. Nafy toto ny tao afovoanin’ny kianja saingy nitongilana tany amin’ny mpifanandrina ny zanaharim-baolina, hoy ny fomba fiteny izay, rehefa nisaraka ady sahala 1 noho 1 ny ekipa 2 tonta nandritry ny fotoana ara-dalàna sy fanalavam-potoana. Voatery niditra tamin’ny tsotsoromamba na «tirs au buts», noho izany, ka dia resy tamin’ny isa 1 noho 3 no niafarany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap