airtel

Sport

05-juil-2023

Sport

Fanatanjahantena sy lalao iraisam-pirenena

Sample post image

Mila manova fomba fiasa ny mpitantana »

05-juil-2023

Teo ny endrika fahombiazan’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny taranja basikety na ny Ankoay U19 izay niatrika ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany tany Hongrie, fa nisy ihany koa ny lesoka maro, izay mety iraisan’ny taranja ara-panatanjahantena Malagasy, indrindra ny mpitantana. « Ny zavatra hita, ary ny zavatra heno nandritra iny « Coupe du monde U19 » tany Hongrie iny, dia tena nanao baolina ry zalahy Ankoay saingy misy foana moa ny indro kely (vatana, fahamatorana ary indrindra teo amin’ny STAFF », hoy i Christian Ra. Voalohany, tena nijaly ara-batana ny Ankoay, vao reraka na tsy tafiditra anaty lalao ny iray amin’ireo « 5 majeurs » dia tena fijalina tanteraka izay ; nisy ny tsy fahamatorana maika ny hanao « spectacle » loatra nefa zareo mbola nanenjika isa, (ohatra ny lalao nifanandrinana Slovenie, nisy baolina 3 tokony ho novonoina tsotra kanefa namena Alley-oops ka tsy maty kanefa avy eo raha novonoina nandresy isika, hoy hatrany io fanehoan-kevitra io. Faharoa, ny Staff sy ny fanomanana : nitaraina tamin’ny Diaspora ny mpilalao fa noana tsisy « goûter » nialohan’ny lalao nifanandrinana tamin’i Etazonia, ary izaho afaka manao vavolombelona an’izany, hoy izy. Nambarany ihany koa fa nandritra ny fampivondronana taty Madagasikara dia 14€ ny vola mba azon’ny mpilalao nandritran ny 14 andro, « niveau international » no atrehina kanefa lasa tsy misy « motivation » ny mpilalao. «Tonga taty Eorope moa dia tena tsisy zavatra azo mihitsy ny mpilalao sasany, simba kiraro, tsy misolo mitsy nefa dia fantatra izao fa misy vola omen’ny FIBA amin’io, soa ihany fa mba misy ny diaspora nefa tsy asan’ny Diaspora izany fa asan‘ny Federasionina, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Nomarihiny ihany koa, fa ny isan’ny STAFF dia efa hitovy amin’ny isan’ny mpilalao, kanefa tsy nisy asa tena nataon’ny ankamaroany fa dia mijery baolina fotsiny akotra ny mpanazatra sy ny mpanampy. Raha mijery ny an’olona anefa dia misy ny « statisticien »,… miaraka amin’ny « tablette » sy ny « programmation » anatiny, ny « analyste » sy ny maro hafa fa ny antsika Malagasy dia ny « badge » no ravahana dia mijery baolina, hoy hatrany i Christian Ra, izay nahitsy nitondra hafatra hoe: mba hovao ny fomba fiasa ry zareo mpitarika fa sady mahamenatra no mampalaelo ireo mpanao fanatanjahantenantsika Malagasy a !
Toky R
 

Dans la même rubrique