airtel

Sport

30-juil-2024

FANATANJAHANTENA

Tsy vitan'ny fihetsiketsehana fa asio politika mazava

Sample post image

Efa lasa fomba fanao moa ilay hoe mitso-drano dia manome vatsin-dalana kely sy fanampiana

30-juil-2024

ho an'ireo atleta handeha.Mandeha ihany koa ny karazana kabary fanaherezana sy ny fakana sary.Mifaninana mihitsy ireo manampahefana. Tsy iadian-kevitra fa anisan'ny manana atleta mahay sy mahiratra i Madagasikara hatrizay mihitsy. Indrisy anefa fa amin'izao taona 2024 izao dia 7 monja no misolotena ny firenena Malagasy any amin'ny lalao Olaimpika, izay faratampony amin'ny fifaninanana ara-panatanjahantena eto ambonin'ny tany.Tsara ilay manampy sy mitsidika, fa mba aiza ho aiza moa amin'izao ny politikam-pirenena momba ny fanatanjahantena ? Ankoatra ny fanampiana iraisam-pirenena mety ho azo, inona no hanohanan'ny fitondram-panjakana ireo federasiona isanisany ? Ireny izao namiratra ny Barea ny taona 2019. Taorian'io anefa tonga dia tsy tafakatra CAN. Ny kianja lazaina fa manarapenitra, hay tsy mahafeno fepetra akory. Maro ny atleta mitaraina amin'ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa misy eto.Tsy ampy ny fahazotoana sy fikirizana ary dokam-barotra amin'ny fanampiana sy fanohanana fa mila politika mazava isan-taranja ny fanatanjahantena, mila vola sy fotodrafitrasa araka ny tokony ho izy. Mila fianarana sy fanofanana mandava-taona fa tsy hoe 3 volana mialohan'ny fifaninanana vao mamovokovoka.
RTT
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap