airtel

Sport

04-oct-2024

Federasionin’ny ady totohondry

«Mba ampio re fa aza avela ho kamboty ray eto!»

Sample post image

Ny 5 hatramin’ny 7 novambra 2024 izao no ho tontosaina ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena

04-oct-2024

Mahamasina ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja ady totohondry. Ny elita lehilahy, hoy ny filohan’ny federasionina malagasin’ity taranja ity, Hery Mamy Rabarisoa, na ireo sokajin-danja miisa 13, no handray anjara. Ho an’ny vehivavy kosa dia sokajin-danja miisa 10, hoy izy. Toy izany koa ny sokajy tanora. Ny ligin’Analamanga no mandray an-tanana ny lafiny rehetra, na fampiantranoana io na ny ara-tsakafo. Hatreto dia ligy miisa 12 no efa nandefa taratasy fa handray anjara. Andrasana kosa ireo ligy miisa 3 ambiny. Efa miisa 500 latsaka kely ny fitambaran’ireo lehiben’ny delegasionina, ny atleta, ny mpanazatra, mpitsara. Izay izany no ho iantohan’ny ligin’Analamanga sakafo maraina, atoandro, hariva eto. Mangataka ihany na izany aza amin’ny fitondram-panjakana sy ny minisiteran’ny fanatanjahantena hoe mba ampio re ny federasionin’ny ady totohondry fa aza avela ho kamboty ray eto! Tanorantsika malagasy ireo. Ireo no hoavintsika. Ny ady totohondry dia mitondra medaly foana amin’ny tompondakan’i Afrika. Na anatin’ny AMAO na ny Olympia dia mbola ny ady totohondry no be indrindra raha fahafaha-mifanintsana na «qualification» no jerena. Isan’ny mitondra medaly be dia be ilay taranja nefa amin’izao fotoana dia potika ny ringany. Izay no mahatonga ny antso tolo-tanana hanamboarana io ringa io ihany koa sy hanaovana ny tompondakam-pirenena ao Mahamasina. Maimaim-poana ny fidirana ka hanentanana ny rehetra ho tonga. Izay tompondaka isam-paritra no antsoina handray anjara. Iaraha-mahalala fa voasazy izao ny federasionina iraisampirenen’ny ady totohondry. Tonga indray izao ny taratasy aty amin’ny federasionina sy komity olaimpika malagasy. Hisy ny fivoriambe na A.G toy izay nalehako tamin’ny taon-dasa tany Dobay, izay karakarain’ny IBA na izany federasionina iraisampirenena izany. Tsy isan’ny mpikamban’ny Komity olaimpika malagasy izay mpikamban’ny IBA. Izay no maha mailo tsara. Isika koa tsy anaty «World boxing» fa ny CIO moa efa nilaza fa sampan-draharaha hafa mihitsy no hikarakara ny fifaninanana iraisampirenena any Los Angeles. Raha tsy dieny izao isika no manomana ireo hanao lalaon’ny nosy 2027, fifanintsanan’ny lalao olaimpika 2028 dia sarotra be ny ahita medaly. Izay no mahatonga mbola hikarakara fifaninanana isan-karazany hafa ankoatran’ny fifaninanam-pirenena dia izay mandresy amin’ny farany no hananganana ny ekipam-pirenena iaraha-miasa amin’ny mpanazatra na coach Cyprien, izay teratasy kameroney. Miantso tolo-tanana amin’ny komity olaimpika sy ny minisitera koa noho izany ny federasionina ny amin’ny mba hijerena an’io kameroney io ahafahany mijanona maharitra eto. Tena manam-pahaizan’ny AFBC io ary io daholo no niantso ireo mpitsara sy tomponandraikitra iraisampirenena hafa tonga teto tamin’ny lalaon’ny nosy farany teo, hoy hatrany ny federasionin’ny ady totohondry.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

03-oct-2024

Mbola mety ho mafimafy noho ny tamin'ny taon-dasa ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan'i Madagasikara

Card image cap