airtel

Sport

29-août-2023

Fibatana fonjamby

Mandravarava hatrany ny Malagasy

Sample post image

Tafakatra 29 izao ny volamena azon'ny Malagasy ary 10 ny volafotsy raha 5 ny alimo Mbola mety hiampy aza io isa io

29-août-2023

hoy Filohan'ny Federasiona Harinelina Andriamanarivo taminay omaly. Ary nanontaniana izy hoe inona no nataony nahavita izao dia tsotra ny navalina dia ny risim-po nananan'ireo Ankizy hany raha ny hihaotra ny volalema 25 tany Maorisy no tanjona dia efa nihaotra be izy izao Raha ny enti-manana mantsy hoy izy dia tsy afaka mitahy amin'i Maorisy isika izay manana foibe fihofanana raitra indrindra aty Afrika ary tena tohan'ny fanjakana amin'ny lafiny rehetra.Omaly aza dia tonga tena an-toerana hatramin'ny Filoha Maorisianina sy ny minisitry ny Fanantanjahantena. Ny olana kely nandritry ny fanolorana ny medaly dia tsy nisy ireo hiram-pirenena.Teo anefa ny tomponandraikitra avy amin'ny Cool Concept fa tsy nasiany sira. Sa noheverina fa tsy misy dikany izany.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique