airtel

Sport

05-juil-2024

Fifanintsanan’ny CAN 2025

Ambony ny herijikan’ny Barea

Sample post image

vita omaly ny antsapaka mamaritra ny fizaram-bondrona ao anatin’ny fifanintsanan’ny

05-juil-2024

CAN 2025 hatao any Maroc. Tafiditra ao amin'ny vondrona A miaraka amin'i Tonizia, ny Nosy Komoro, ary i Gambia ny Barean’i Madagasikara. Marihina fa misy vondrona 12 ahitana firenena 4 avy ny fifanintsanana. Ny ekipa roa voalohany isaky ny vondrona amin'ireo vondrona 11 izay tsy misy ny mpampiantrano dia mahazo avy hatrany ny tapakila hiakarana amin’ny dingana famaranan’ny CAN, raha ekipa iray ihany no mahazo izany ao amin’ny Vondrona misy an’i Maroc mpampiantrano satria tafakatra avy hatrany izy. Ho an’i Madagasikara, azo lazaina ho ambony be ny herijika hahatafakarantsika satria i Tonizia izay laharana faha-41 maneran-tany ary faha-6 aty Afrika no heverina fa maozamaozatra, izay izy ireo rahateo no nandraraka antsika teo amin’ny ampahefa-dàlan’ny CAN 2019. Heverina ho azo resena tsara kosa i Comores izay vao resintsika 2-1 iray volana lasa izay, teo amin’ny lalaom-bondrona hiadiana ny tapakilan’ny « Mondial 2028 ». Ara-taratasy dia resintsika izy satria faha-119 eo amin’ny filaharan’ny FIFA ary faha-31 amin’ny CAF, raha toa ka faha-103 kosa ny Barea ary faha-23 amin’ny CAF. Toy izany ihany koa i Gambie izay mitana ny laharana faha-132 maneran-tany ary faha-40 aty Afrika. Raha tsy misy fanovana fandaharam-potoana ataon'ny CAF, ny andro roa voalohany amin'ny dingana vondrona dia hatao eo anelanelan'ny 2 sy 10 septambra 2024, ny andro fahatelo sy fahefatra eo anelanelan'ny 7 sy 15 oktobra 2024, raha toa ka ny 11-19 novambra kosa ny andro roa farany. Hatao any Maroc manomboka ny 21 desambra 2025 ka hatramin'ny 18 janoary 2026 kosa ny dingana famaranana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-juil-2024

Tena mafy ireto Makis olona 7 ireto. Nandray anjara tamin'ny fifaninana tatsy amin'ny

Card image cap
08-juil-2024

Ela vao tena velona toy ny motera diesel ireo mpiangaly ny tsipy kanety malagasy.

Card image cap
08-juil-2024

Taorian’ny fahatafitan’ny Espaniola amin’ny dingana manasa-dàlana amin’ny Euro 2024,

Card image cap
08-juil-2024

Amin’ny septambra 2024, eo anelanelan’ny faha 2 hatramin’ny faha 10n’ny volana eo,

Card image cap
05-juil-2024

Raha atotaly dia miisa 138 ireo lalao niarahan’ilay vodilaharana malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra,

Card image cap