airtel

Sport

10-sept-2024

Fifanintsanan’ny CAN 2025

Ratsy toerana ny Barea hatreto !

Sample post image

Raha nieritreritra ny handresy mazava an-dry zareo Kaomorianina isika omaly,

10-sept-2024

dia tsy azo aloha ny isa 3 nahafahana naka ny laharana faharoa vonjimaika tao anatin’ny Vondrona A omaly ho an’ny lalao fifanintsanana hiakarana amin’ny CAN 2025 hatao any Maroc. Voatazon’i Comores 1-1 ny Barean’i Madagasikara omaly takariva na dia nahavelom-bolo aza ny baolina matintsika vao teo amin’ny minitra faha-9. Baolina niainga tamin’ rindran-damina natolotr’i Rado an’i Arnaud, nodakany fa voasakana, saingy mbola voatsaingok’i Carolus, ka nikobanan’ny haraton’i Pandors. Somary natoritory isika, ka betsaka ireo baolina saika matin’ny Kaomorianina, toy ny teo amin’ny faha-16 minitra izay maty, saingy «en position de hors jeux ». « Coup franc » an’i M’Changama teo amin’ny minitra faha-39, nidona tamin’ny rindrina, ary mbola voatsenany tamin’ny daka mandrivorivo, izay nahavery tanteraka i Sony Laiton, kosa no nahasala ny isa. Nanatombo tamin’ny fanafihana ny kaomorianina tao anatin’ny 15 minitra voalohan’ny fizaram-potoana faharoa na nampiditra an’i Rojo be ho aim-bao ka nanala an’i Amada aza isika. Betsaka ny lesoka, toy ny baolina verivery foana ho an’ny Barea. Nanomboka nifoha kosa isika tany amin’ny minitra faha-60 satria nampiditra an’i El Hadari sy Tendry nanolo an’i Loic Lapoussin sy Carolus. Mbola nampiditra aim-bao dia i Tsiry Kely sy Warren Caddy tany amin’ny minitra faramparany, saingy tsy nivadika ho isa. Niaina tamin’ny fiarovan-tena sy valim-panafihana sisa ny kaomorianina tao anatin’ny 20 minitra farany, ary betsaka ny baolina tokony ho matintsika, saingy tsy tao ny vintana, nahomby ny fiarovantenan’ny kaomorianina, izay tsy mbola nandresy antsika mihitsy tamin’ireo lalao 12 vita nanomboka ny aogositra 1990 hatramin’ny omaly. Tsy azo hamaivanina ny Kaomorianina, saingy azo lazaina ho nanary isa 3 ihany isika omaly. Efa tratra 1-1 vao tena nifoha tamin’ny torimaso nitady fandresena. Hatreto, mitazona ny laharana farany hatrany ao anatin’ny Vondrona A isika izay tsy manana afatsy isa 1 noho ny ady sahala iray, raha toa ka efa maivamaivana ny Tonizianiana manana isa 6, faharoa ny Kaomorianina manana isa 2, ary fahatelo ny Gambianina manana isa 1 manatombo amin’ny baolina maty. I Gambie no hifandona amintsika amin’ny andro fahatelo, izay heverina fa ho mafimafy ihany koa raha ny endri-dalao nasehony nanoloana an’i Tonizia na resy aza izy. Tsiahivina hatrany fa izay 2 voalohany ao anaty vondrona no miakatra amin’ny CAN 2025, ka azo lazaina ho mbola manana herijika isika amin’ireo lalao 4 ambiny na dia azo lazaina ho ratsy ihany aza ny toerana taorian’ny lalao roa voalohany. Tena mila manomana fa tsy misy fahagagana !
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap