airtel

Sport

30-mai-2023

Sport

Filoha Andry Rajoelina Nomena grady « 6éme dan » maimaimpoana ?

Sample post image

Notanterahina teto Antananarivo ny 27-28 mey 2023 teo ny Fihaonamben’ny mpikatroka karaté eto Madagasikara ka manodidina 1500 ny mpandray anjara tamin’izany,

30-mai-2023

narahin’ny fifaninanana “coupe du Président”. Tonga nanokatra ny fotoana tetsy Mahamasina ny Filoha Rajoelina mivady ny sabotsy teo, nanokatra izany, ka nandritra no nampiakarana azy ho eo amin'ny "grade 6 ème Dan" , tempana mainty amin'ny taranja karaté, araka ny taratasy fanamarinana natolotry ny Grand Maître Hanshi Ramanitrandrasana René izay. Nisy ny fampisehoana (démonstration) nataon'I Andry Rajoelina nandritra io. Andaniny, notolorany ny laharam-boninahitra "Commandeur de l'Ordre national" kosa ny Hanhsi René Ramanitrandrasana, izay malagasy manana ny laharana ambony indrindra (10ème dan) amin’ny karate ary namorona ny federasiona karate malagasy rahateo. Karazana fitia mifamaly ihany izany ny azy mianaka !? "Ny karate dia tsy resaka haiady fotsiny ihany fa fifehezan-tena, lalana mankany amin'ny fahombiazana, mampianatra hiatrika ireo fanamby rehetra atrehantsika eo amin'ny fiainana ary fomba iray hahazoantsika herim-po ao anatin'ny faharetana mba hahombiazana amin'ny zava-drehetra eo amin'ny fiainana" hoy i Andry Rajoelina. Nambarany fa namolavola azy ara-batana sy ara-tsaina, ary izay lalan-tsaina karateka izay no namporisika azy hiatrika fiainana. Voalaza fa niady manokana tamin’ny fampidirana ny karate amin’ny lalaon’ny Nosy ny Fanjakana. Na izany aza, tao ny nidera, fa betsaka ihany koa ny nitsikera sy nihomehy. Tao ny naneho fa tsy misy “titre” na “grade” fanomezam-boninahitra (honorifique) ny karate fa tsy maintsy lalovana ny dingana rehetra ka oviana ny Filoha no nandalo ireo dingana nialohan’ny 6ème dan ? Nisy nisy mihitsy no nilaza fa “ny Grand Seinsei Jigoro Kano ihany no olombelona nanana ny 11ème dan, ka taorian’ny fahafatesany, dia nomena 12ème dan ho fanomezam-boninahitra na “à titre honorifique”, ka raha hatao fombafomba (symbolique) dia ny tepana fotsiny ihany no fanome mariky ny maha vao manomboka”. Andrasana moa raha hisy ny fanazavana hafa mety mandiso an’io ? Tao indray no namoaka tahirin-tsary, toy ny sarin’Atoa Siteny Randrianasoloniaiko nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, na koa sarin’olon-kafa mpikatroka malaza, ka misy mihitsy ny manao fampitahana iza no tena “champion” ary iza no “fake champion”? Efa vita moa iny na misy aza ny adihevitra samihafa aza, ary arahabaina ny Filoha fa nahazo anaram-boninahitra hafa indray. Na izany aza, efa re foana ny hoe : mpandresy, tsy mbola resy, “champions” an’izao sy izao,… ka asa raha mifanaraka amin’ireny anaram-boninahitra atolotolotra samihafa ireny ny vokatra amin’ny fitantantana firenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Tontosa tany Dobay ny 6 sy 7 desambra teo ny kaongresin’ny AFBC na ny kaonfederasionina afrikanin’ny

Card image cap
19-déc-2024

Mbola tsy tena hita hoe milamina hatramin’izao ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondràm-panjakàna sy ny taranja ady

Card image cap