tsy misy adihevitra fa dia mahay izy. Ny mpilalao rehetra lasa tena miady satria izay no nalentika tao an-dohany hany ka na ireo toto-tanana nohenjehina fatratra aza lasa tena navitrika. I Rado izao izay noheverina tsy hajoro tao aoriana ny fahatongavan'i Mathieu Arapandié izay mpilalao ao amin'ny FC Nantes, dia tena nahafehy ny asany ary nitondra fanafihana maromaro. Toy izany koa i Lalaina Jaina izay noheverina hanafana seza kanjo nahatafiditra ny baolina fahaefatra raha tsara tolotra avy any amin'i Njiva izay tonga dia tafiditra. Ny vodilaharana rahateo tena tsy misy kianina fa voafehy tanteraka ary tsy misy tsy niaiky fa mahay sady tsy mikoropaka i Marcellin Harrison. Na i Baggio kely izay niditra misolo an'i Marco Ilaimaharitra aza nahavita nanakorontana. Izany tokoa no hoe aza ny hakelin'ny tariby no jerena fa ny herimbaratra entiny. Ny tao afovoany rehefa mipetraka tanteraka amin'i Couturier ny lafiny fiarovana dia afaka nanafika i Rayan Raveloson ary dia ireny baolina roa matiny ireny no vokany. Mbola izy koa anefa no nahatonga an'i Arnaud nampiditra ny baolina fahatelo. Mety rahateo ny fiarahany tamin'io Rayan Raveloson sy Warren Caddy. Ny indro kely tamin'iny lalao tao Alarobia, azafady fa Larbi any Maroc, Dia somary nanary baolina i Loïc Lapoussin sy El Hadari. Na Izany aza efa nahitana ny lesoka iny ary misy telo andro hanamboarana ka mety hahamay sofina indray ry Jordan Ayew sy ny namany amin'ny alatsinainy. Asa aloha fa tena mipetraka tsara ny rindran-damina amin'i Corentin Martins ity. Raha io izao no mba mandray an-tanana ny Elatr'i Betafo mba mety mandresy Elgeco Plus ny avy any an-tanana.
Clément RABARY
Tsotsorimamba hisarahana ny an'ny Barea sy ny Kintana Maintin’i Ghana anio any Maraoka.
Maro tamin’ireo mpanohana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na