airtel

Sport

05-sept-2024

Hiova endrika amin'izay ny Barea!

Hanao izay ho afany hanala vela amin’i Tonizia anio

Sample post image

Tena ho tsara raha ny zavatra miseho amin'ny fanazaran-tenan'ny Barea omaly tany Tonizia no jerena.

05-sept-2024

Ny vaovao tena mahafaly dia izay vao manana lohany ny fanafihana ny Barea satria dia tonga amin'ny heriny i Warren Caddy. Ary tsy izy irery fa tena manao koa eo amin'ny toeran'ny irakiraka mpanafika i Johan N'Zi. Ny zava-dehibe hoy i Roro Rakotondrabe dia tena tafiditra ao anatin'ny vondrona izy roalahy ireto. Ny hany mbola baraingo dia ny mety hiaraka amin'i Louis Domeleon eo amin'ny vodilaharana afovoany satria mbola misy telo ny safidy dia i Berajo, Thomas Fontaine ary Sandro Tremoulet. Mety nojerena omaly ihany izany hoe iza sy iza no tena mahay miaraka. Mety koa anefa ny mametraka vodilaharana telo avy hatrany. Asa aloha izay fanampahan-kevitra farany fa ny zava-misy dia samy vonona daholo ny mpilalao.

Anio amin’ny 10 ora alina no hiditra an-tsehatra eo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2025 ny Barean’i Madagasikara, hiezaka hanao valin’ady amin’i Tonizia izay nanamontsana antsika teo amin’ny dingana ampahefa-dàlan’ny CAN 2019 tany Egypte. Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-panjakana TVM ny lalao, raha ny fampahafantarana ofisialy.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

Nahabe resaka ny mikasika an'i El Hadary farany teo.

Card image cap
16-sept-2024

Asa aloha raha noho ny fitadiavana izay marimaritra iraisana amin'ny fijerena izay

Card image cap
12-sept-2024

Asa aloha raha mba misy fandraisana anjara avy amin'ny minisiteran'ny Fanantanjahatena na mbola ny

Card image cap