airtel

Sport

28-mai-2024

Joanie Anyssa, mpilalaon’ny Ankoay

Miatrika fiofanana avo lenta any Kigali Rwanda

Sample post image

Voaantso hiatrika ny BAL4HER CAMP fiofanana natokana ho an’ireo mpilalao zazavavy

28-mai-2024

latsaky ny 23 taona atao any Kigali Rwanda i Joanie Anyssa Rakotonanahary, mpilalaon’ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay sokajy vehivavy, araka ny fampahafantaran’ny Federasionina Malagasy miantsoroka ny basikety omaly. Nanomboka omaly 27 mey hatramin’ny 02 jona ny fiofanana izay finiavana lehibe amin’ny FIBA Africa miaraka amin’ny Basketball Africa League, izay mamondrona ireo tanora sangany sy heverina fa manana ho avy mamiratra amin’io taranja io, ka tolorana tan-tsoroka ho lasa lavitra kokoa. Mpilalao vehivavy 20 avy amin’ny Firenena Afrikanina 14 no miatrika ity fiofanana ity, mba hivoaran’ireo talenta aty Afrika eo amin’ny sehatry ny basikety. Mifanindran-dàlana amin’io, ny BAL4HER ihany koa dia mamondrona tanora matihanina 100 liana hivelona amin’ny fanatanjahantena. Fotoana ihany koa ahafahan’izy ireo mandray anjara amina lalao avo lenta hanovozana traikefa, fa indrindra atrik’asa mifototra amin’ny famoronana fototr’asa miorina amin’ny indostrian’ny fanatanjahantena.
Toky R
 

Dans la même rubrique