airtel

Sport

01-août-2023

Sport

Jobilin’i Ahmad Tonga tany Mahajanga i Eto'o

Sample post image

Ny namana dia mijanona ho namana foana! Koa satria mpinamana efa ela ny filohan'ny CAF teo aloha Ahmad, sy ilay

01-août-2023

Kamerone malaza Eto'O Fils dia tonga tany Mahajanga ity kintan'ny baolina kitra eran-tany ity. Tonga manome voninahitra ny jobilin'ny filoha Ahmad ary niara-nifaly tamin'ny mponin'i Mahajanga izay tena mirehareha manana olo-be. Nitotorebika ny rehetra ny tontolon'ny andron'ny alahady tao amin'ny kianja Rabemananjara. Faly ny rehetra fa tena faly ny filoha Ahmad.

Tsy vao sambany ny Fitsidihana an’I Mahajanga nataon’I Samuel Eto'o satria ny volana novambra 2019 dia efa tonga tany niaraka tamin’ny filohan'ny FIFA Infantino Gianni izy, ary mbola Filohan’ny CAF Atoa Ahmad tamin’izany, raha toa ka Atoa Arizaka Raoul kosa no nitantana ny FMF. Nisy ny lalao nataon’izy ireo, ka ekipa iray ireo tompon’andraikitry ny kitra voatanisa ireo tamin’izany.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique