airtel

Sport

05-juil-2024

Kenji-Van Boto

Hifindra ao Suisse

Sample post image

Raha atotaly dia miisa 138 ireo lalao niarahan’ilay vodilaharana malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra,

05-juil-2024

Kenji-Van Boto, niaraka tamin’ny klioba frantsay AJ Auxerre. Tao anatin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa na «Ligue 2» ny 136 tamin’ireo ary divizionina voalohany na «Ligue 1» kosa ny 2. Hitodi-doha any Soisa indray ankehitriny ity mpilalao ity ary azo ambara ho niakatra hatrany ny lentany satria dia ny FC Sion, divizionina voalohany soisa, indray izany izao no hiara-dalana aminy taorian’ny nandalovany tao amin’ny Pau FC, klioba frantsay, divizionina faharoa, nilalaovany farany. 28 taona moa ankehitriny ny lehilahy. Mirefy 1,83 metatra. Efa ela ity ekipa soisa ity no naniry hanana an’i Kenji ary ankoatran’ity ekipa manana ny lazany any an-toerana ity dia efa nikitika azy ihany koa ny divizionina voalohany belza, Anderlecht, ny taona 2022. Teo amin’ny resaka fampindramana sy fakana azy ho mpilalao raikitra tao amin’io klioba io kosa tamin’izay fotoana izay, raha tsiahivina, no nipetrahan’ny fisalasalana. Ankehitriny izany aloha dia manana vodilaharana mivoatra any amin’ny fifaninanam-pirenena voalohany ao Soisa indray isika ary hirariana mba hampivoatra ny aavo tekinika sy lentan’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barean’i Madagasikara koa izany. Raha tsy dia sanatria hoe tsy ho voaantso indray angamba ity rindrimbe ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

08-juil-2024

Tena mafy ireto Makis olona 7 ireto. Nandray anjara tamin'ny fifaninana tatsy amin'ny

Card image cap
08-juil-2024

Ela vao tena velona toy ny motera diesel ireo mpiangaly ny tsipy kanety malagasy.

Card image cap
08-juil-2024

Taorian’ny fahatafitan’ny Espaniola amin’ny dingana manasa-dàlana amin’ny Euro 2024,

Card image cap
08-juil-2024

Amin’ny septambra 2024, eo anelanelan’ny faha 2 hatramin’ny faha 10n’ny volana eo,

Card image cap
05-juil-2024

vita omaly ny antsapaka mamaritra ny fizaram-bondrona ao anatin’ny fifanintsanan’ny

Card image cap