Plus sy ny Disciples FC. Mbola tsy manomboka akory anefa dia misedra olana lehibe noho ny tsy nahazoan'ny Kianja Barea fakantoavana. Tena zava-doza no ateriny satria tsy maintsy mivoaka foana izany na mandray aza. Volabe no tsy maintsy lany noho izany ankoatra ny fanasaziana ireo mpitia baolina malagasy tsy mba afaka manatrika sy manohana. Izay no vokatry ny kitoatoa izay mandiso ny anarana nomena ity Mahamasina ity hoe lasa manara-penitra. Sendra izay olona tsy tao anatin'ny baolina kitra no mitantana azy ary lasa nijery fotsiny koa ny federasiona na dia efa im-betsaka aza ny CAF no namaritra ny asa tokony hatao. Izao dia re fa atsy Maorisy ao amin'ny Kianja any Côte d'Or no handray ny Orlando Pirates ny Disciples FC izay misedra olana sahady satria tsy maintsy hanajanona mpilalao sy mpitantana maro noho by antony ara-bola. Marina fa betsaka Malagasy any amin’io nosy io fa hafa ihany ireo zanak'i Betafo an'analiny tonga manohana isaky ny milalao ny Disciples. Hafa mihitsy ireo mpilalao vao maheno ny tarika mpitsoka mozika miampy ireo hikan'ny mpanohana hoe anay angaha Disciples. Ary eo no mampalahelo amin'izao raharaha izao satria ekipa azo resena raha samy any Afrika Atsimo ity Orlando Pirates ity fa tsy toa ny Mamelodi Sundowns na Kaiset Chiefs izay tena matantajaka na ara-bola aza. Ny tombony ho an'ny Disciples dia ny fahaizany miaraka efa an-taonany maro miampy ireo mpilalao efa zatra ady amin'ny sehatra avo lenta toa ny kapiteny Ando Rakotondrazaka sy Tsilavina ary ireo Barea telo ahitana an'i Tantely, Andy ary Mataniah Tendry.Ny Elgeco Plus indray dia mbola tsy fantatra hatreto izay ataony satria dia mivoaka lavitra any Angola aloha ka tsy fantatra raha ho sahy hijanona any aminireo lalao roa na hitady toerana hafa. Raha ny momba ny Barea indray mikasika ny fihaonana amin'ny Comores dia nazava ny tenin'i Roro Rakotondrabe fa raha ny safidiny dia any Tonizia izy no handray ny lalao satria dia any koa ny Barea no ho raisin'i Tonizia. Tsy hanome vahana ny Comores no tena dikany fa mba ho fitsitsiana ihany koa ka tsy ho lany vola hivezivezana no akaiky ireo mpilalao any Eoropa.
Clément RABARY
Tontosa tany Dobay ny 6 sy 7 desambra teo ny kaongresin’ny AFBC na ny kaonfederasionina afrikanin’ny
Mbola tsy tena hita hoe milamina hatramin’izao ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondràm-panjakàna sy ny taranja ady