airtel

Sport

14-juin-2024

KIANJA SENTETIKA AMBOHIDRAKA

Ho azo hilalaovana amin’ny alina amin’izay ato ho ato

Sample post image

Ho azo hilalaovana amin’ny alina amin’izay raha tsy misy ny delestazy ny kianja sentetika ao Ambohidrazaka,

14-juin-2024

kaominina Alasora manomboka amin’ny 25 Jona ho avy izao. Efa nasiana jiro mantsy izany ho fanomezana fahafaham-po ny mpilalao indrindra fa ireo tanora mivondrona ao anaty fikambanana avy ao Alasora hisorohana azy ireo amin’ny fidonanam-poana ka hihafara amin’ny fisotroan-toaka sy ny fidorohana zava-mahadomelina. Ankoatra izay dia fantatra fa hametrahana toerana fisoloana akanjo ihany koa ao amin’ity kianja ity, hiampy ny trano fivoahana ho fitandroana ny fahadiovana. Ho an’ny ambina tany indray dia nambaran’ny Ben’ny tanana Randriantso Jimmy fa hananganana kianja sentetika kely ihany koa hamolavolana ireo taninketsa ka ireo zazalahy kely vao misondrotra. Zazalahy kely miisa 180 manerana ireo Fokontany 20 ihany koa tao Alasora no vita didimpoitra maimaim-poana. Nanomboka ny Talata 11 Jona lasa teo izany nifarana omaly Alakamisy 13 Jona izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena avokoa.
Pati
Legende : Efa misy jiro tahaka izao ilay kianja sentetika ary azo hilalaovana amin’ny alina tsara !
 

Dans la même rubrique