airtel

Sport

21-août-2023

Sport

Kitra - Amboaran'ny Filoha Lasan'Antananarivo ny volabe !

Sample post image

Sahirana ny ekipa voafantin'Antananarivo omaly tetsy Mahamasina vao naharesy an'i Toamasina nandritra ny fiadiana ny Amboaran'ny Filoha Andry Rajoelina.

21-août-2023

Tany amin'ny minitra faha-86 ny baolina tokana matin'i Bertho tamin'ny penalty. Niady ny lalao na dia tsy dia avo lenta aza satria adin'ireo tsy voantso tany amin'ny Barea. Ary saika nandresy aza i Toamasina satria dia niantehitra tamin'ireo mpilalaon'ny Fanalamanga i Alison Jean mpanazatra. I Titi Rasoanaivo kosa no nitazona an'Analamanga ary tsy naka sarotra izy fa natambany ny CFFA sy Disciples dia nataony mpiandry tsatokazo i Manda mpilakaon'ny Ajesaia.Raha ivelan'ny fotoana hilalaovan'ny Barea angamba ity Amboaran'ny Filoha ity dia tena niady ohatry ny baolina toa an'i Mahajanga izay tsy nanan-kalahatra intsony. Volabe kosa anefa no nozaraina satria raha 20 tapitrisa no azon'ny Analamanga dia 10 tapitrisa ariary kosa ny any Toamasina. Clément RABARY
 

Dans la même rubrique