airtel

Sport

22-août-2024

Kitra, lalao ara-pirahalahiana

Nandresy ny Club M ny Disciples

Sample post image

Nanao lalao ara-pirahalahina tamin'ny ekipam-pirenena Maorisianina ny Disciples FC talohan'ny

22-août-2024

niangany hiazo an'ny Afrika Atsimo. Lalao izay tena nahafahan'ny mpanazatra Mamisoa Razafindrakoto nampijoro ireo izay mbola tsy dia nanao lalao iraisam-pirenena ihany. Vokany dia i Faniry sy Joma kely ilay mpiandry tsatokazo fahiny no namono ny baolina roa. I Drogba ilay mpilalaon'ny Fosa Juniors taloha no nampiditra ny baolina fahatelo. Midika izany fa miverina amin'ny heriny ity mpilalao avy any Mahajanga ity rehefa nolazon'ny aretina am-bolana maro. Tena mety tsara izany satria mbola misy an'i Tendry sy Dahery ihany koa amin'ny famonoana baolina manoloana ny Orlando Pirates ny zoma ho avy izao.Betsaka ny fanantenana hoy ny mpanazatra mpanampy Rija Juvence Rakotomandimby fa mila mifantoka tsara satria tsy dia manary baolina firy ireto Afrikanina Atsimo ireto.Manantena ny fanohanana avy amin'ireo Malagasy mipetraka any ny Disciples ary maromaro ihany izy ireo hpy ilay tsy mahay manisa.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap