tompondaka rejionaly frantsay na R1 i Rakool ny faran’ny herinandro teo. Na dia resy tamin’ny isa 2 noho 3 aza ny AC Arlesien, izay ekipa misy ity lohalaharanairakiraka malagasy ity, nanoloana ny Carnoux FC, nandritry ny tompondakan’i Mediteranée tao amin’ny kianja Maurice Jauffret, dia mbola mijanona ho laharana faharoa ao amin’ny sokajy na “poule” misy azy ity ekipa misy an’i Koloina Razafindranaivo na Rakool ity. 23 taona ankehitriny i Rakool. Irariana fa taorian’ny tsy fahombiazana nihatra taminy tatsy amin’ny Mouloudia FC, divizionina voalohany alzerianina, dia hitondra aingavao sy fivoarana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ho an’i Rakool ity klioba mifaninana amina tompondaka frantsay ity na dia rejionaly toy ny atsy La Reunion ihany aza satria heverina fa mifanakaikaiky ihany koa amin’ny lentan’ny kitra amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara toy ny atsy Maorisy sy Seisely.
J. Mirija
Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso
10 taona aty aoriana, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra
Nivoaka omaly ny anaran'ireo mpilalao handrafitra n'y Barea hihaona amin'ny Ghana s'y Centrafrique any Maroc