airtel

Sport

21-mars-2024

Lalao Afrikanina- Rugby

Nafaizin’ny Makis ny Nizerianina

Sample post image

Nandresy mazava an'i Nigeria ireo Makis vehivavy omaly tany Accra.

21-mars-2024

Lalaon'olona fito moa no natrehina ary dia nivadika fampisehoana satria tsy nijanona ny Malagasy raha tsy 20 noho 5 ny isa. Voaporofo izao fa tena tokony nandeha tany ny rugby vehivavy tsy tahaka ny basket 3x3 izay resy indroa sahady ny andro voalohany ny alatsinainy teo. Misy tsy mazava ihany izany fomba nifatenana iteo taranja tsy araky ny filazana hoe ireo mety mahazo medaly ihany no mandeha fa tsy ampy ny vola. Ny judo izay dia nisy efa-dahy sy efa-bavy nefa i Laura sy Natacha irery no niambozona medaly.Ohatry ny misy taranja nitongilanana raha izao satria misy ireo any Accra nefa tsy mahafeno ny fepetra. Fepetra inona tokoa anefa toa ny Ministeran'ny Fanatanjahantena ihany no nandidy nanapaka fa tsy niarahana tamin'ireo teknisianina.Ny baolina kitra U23 izao dia voahilika nefa mba efa niezaka ihany ny UFICASM ary noeritreretina ho any amin'ny Lalao Olimpika mihintsy aza saingy izao no nanaovan'ny manampahaizana azy.
Clément RABARY

Ampahany tamin'ireo mpanohana ny rugby tany Accra omaly
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Tontosa tany Dobay ny 6 sy 7 desambra teo ny kaongresin’ny AFBC na ny kaonfederasionina afrikanin’ny

Card image cap
19-déc-2024

Mbola tsy tena hita hoe milamina hatramin’izao ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondràm-panjakàna sy ny taranja ady

Card image cap